Aujourd’hui, les maladies cardio-vasculaires atteignent de plus en plus de jeunes dans le monde. On compte 10 décès sur 100 aujourd’hui contre 7 décès sur 100 en 2004. Douleur au niveau du cœur, essoufflement, palpitation ou évanouissement en sont les signes précurseurs. Mais comment les éviter ? Selon le docteur Lalasoa Rasoviniaina, il faut équilibrer son alimentation, éviter les excès de sel, de sucre, soigner sa santé buccale afin de protéger les autres organes, pratiquer un sport ou faire de la marche, éviter les substances psychoactives, dormir suffisamment et surtout savoir gérer le stress.
Mitombo isa ireo tanora tratran’ny aretin’ny fo sy ny lalan-drà ankehitriny manerantany.  Olona 10 amin’ny 100 no matiny ankehitriny raha toa ka 7 amin’ny 100 izany tamin’ny taona 2004. Misy manindrona ny fo, sempotra, mitempo mafy loatra ary mety ahasafotra ihany koa, ireo no fambara voalohany amin’izany. Inona avy anefa ireo fomba fitaizana ny fo ? Manamafy ny dokotera Rasoviniaina Lalasoa fa tsy tokony atao be sira na siramamy ary atao maroloko ny sakafo hanina, tsaboina tsara ny ativava mba tsy hiterak’olana amin’ny taova any anaty toy ny fo, tokony manatanja-tena na mandeha tongotra matetika, tokony mifady ireo zava-mahadomelina, tsy tokony hiari-tory ary indrindra tokony hahay handamin-tsaina.