Hiditra amin’ny toetrandro mafana isika izao. Fotoana mampirongatra ny aretina ny fiovan’ny maripana. Mitombo ny isan’ireo voan’ny gripa manantona ireo toeram-pitsaboana nanomboka ny volana Oktobra, hoy ny dokotera Arson Hanta Julie. Na eo mantsy ny vaksiny fiarovana amin’ny aretina iray, mety hiverina foana ny aretina aty aoriana saingy tsy mandalo ihany izany hoy izy. Ho an’ireo tsy manao vaksiny kosa izany no mety hihombo, antony hanentanan’ireo mpitsabo amin’ny fanaovana vaksiny. Manazava ny anjara asan’ny mpandinika momba ny valanaretina kosa ny dokotera Randriatsimaniry Damoela. Mitana anjara andraikitra lehibe izy ireo ny amin’ny fandinihana ny fivoaran’ny aretina mitranga eo anivon’ny fiarahamonina.
Nous sommes en pleine intersaison, période de risques accrus de propagation des d’infections. Les cas de grippe sont en augmentation dans les centres de santé depuis le début du mois octobre, a déclaré le docteur Hanta Julie Arson. Même s'il existe des vaccins de protections contre les maladies, les personnes peuvent être toujours infectées plus tard, et ce, même de manière bénigne. Ceux qui n’ont pas été vaccinés sont, par ailleurs, plus susceptibles, provoquant ainsi la propagation d’une épidémie. C'est pourquoi les médecins exhortent la population à se faire vacciner. Le médecin Damoela Randriatsimaniry, explique quant à lui, le rôle des épidémiologistes. Ils contribuent au suivi de l'évolution de la maladie dans une communauté donnée.