Depuis début octobre, environ 50 millions de doses de vaccin sont arrivées en Afrique, selon l’OMS. Cependant, l’Afrique reste confrontée à un déficit de 275 millions de vaccins, si l’on tient compte de l’objectif de fin d’année de vacciner, de manière efficiente et complète, 40 % de la population africaine.
Environ 16 vaccins sont en service dans le monde. La majorité d’entre eux s’administrent à double dose, excepté le vaccin Johnson & Johnson, à dose unique. Faisant partie des vaccins à vecteur viral, le Johnson & Johnson et l’AstraZeneca ont pour but d’amener le système immunitaire à produire des anticorps et des globules blancs défensifs, pour combattre le virus en cas d’infection. En Afrique, ils sont connus sous les noms respectifs de Jansenn et de Covishield, et figurent parmi les plus prisés.
A Madagascar, les vaccins à ARN messager (ARNm) comme Pfizer et Moderna ne sont pas encore disponibles pour l’instant.
COVID-19: ny fanaovam-baksiny any Afrika
Nanomboka tamin'ny fiandohan'ny volana oktobra lasa teo, manodidina ny 50 tapitrisa ny fatran'ny vaksiny tonga tany Afrika, hoy ny OMS. Na izany aza, mbola miatrika tsy fahampian'ny vaksiny 275 tapitrisa i Afrika, raha oharina amin’ny tanjona ny fanaovana vaksiny mahomby sy feno amin'ny 40% amin'ny mponina Afrikana, alohan’ny faran’ny taona 2021.
Manodidina ny 16 ny vaksiny ampiasaina eran-tany. Ny ankamaroan'izy ireo dia omena amin'ny fatra indroa, afa-tsy ny vaksiny Johnson & Johnson, izay fatra tokana ihany. Ny Johnson & Johnson ary ny AstraZeneca dia mikendry ny hahatonga ny rafi-kery fanefitra hamokatra antibiôsy sy sela fotsy miaro hiadiana amin'ny viriosy raha voan'ny aretina. Any Afrika, fantatra amin'ny anarana hoe Jansenn sy Covishield izy ireo, izay anisan'ny malaza indrindra.
Eto Madagasikara, tsy mbola misy ny vaksinin'ny messenger ARN (ARNm) toa ny Pfizer sy Moderna hatreto.