COVID-19 : Tous ensemble face au virus

MagazinesConseils santé / SantéNakà

©AFP
Les maux de dents peuvent avoir des impacts négatifs sur tout le corps.

Santénaka-Sady tsy mikarakara no tsy mitsabo nify ny Malagasy

Maro amintsika Malagasy no marefo nify, mety noho ny kalitaon’ny sakafo ho hanina na tsy fahampian’ny fikarakarana. Na eo aza izany dia tsy mazoto mamonjy mpitsabo nify isika raha fintinina ny hevitr’ireo olona nanontanianay.

Isan’ireo antony tsy hanatonan’ny olona mpitsabo ny tahotra harary sy ny halafosan’ny fitsaboana. Eo koa anefa ny fotoana lany amin’izany. Mety handany hatramin’ny adin’ny roa mantsy ny fitsaboana, ankoatra izany ny fotoana fiandrasana ny marary eo alohanao.

Misy fiantraikany ratsy amin’ny fahasalaman’ireo taova hafa anefa ny tsy fitsaboana ny nify araka ny fanazavan’i Dokotera Andriamanalinjafy Miantsa Hasina izao.  

Ankoatra ireo rehetra ireo, olana ihany koa ny fivangongon’ny mpitsabo nify amin’ny tanàn-dehibe. Tahotra ny tsy fandriam-pahalemana, tsy fahampian’ny fitaovana ary antony manokana ara-tokantrano matetika no mampalaina azy ireo ho any ambanivohitra.



Beaucoup de Malgaches ont des dents en mauvais état. Les causes peuvent être l’alimentation ou le manque de soins au quotidien. Pourtant, nous n’avons pas non plus l’habitude d’aller voir le dentiste d’après les témoignages qu’on a reçu.

La cherté des soins et la peur d’avoir mal sont les raisons qui dissuadent les gens à ne pas consulter. A part cela, nous n’avons que peu de temps à accorder aux soins bucco-dentaires alors qu’il faut parfois 2 heures au dentiste pour soigner un patient. Le temps d’attente est en sus.

Selon le Dr Miantsa Hasina Andriamanalinjafy, les maux de dents peuvent avoir de mauvais impacts sur les autres organes du corps s’ils ne sont pas traités.

Outre tout cela, la concentration des dentistes dans les grandes villes reste aussi un problème. Ils refusent souvent de s’installer dans la campagne à cause de l’insécurité, du manque de matériel ou de raisons familiales.  

Pour en savoir plus sur nos activités
M'inscrire à la newsletter