Les vaccins anti-covid sont, à priori, efficaces contre le variant Omicron, a déclaré le docteur Michael Ryan, le responsable des urgences au sein de l’OMS. Selon lui, Omicron ne semble pas plus dangereux que le variant Delta.
Quand un nouveau variant apparait, il a tendance être plus transmissible, parce qu'il est en compétition avec les variants précédents, explique-t-il. Il a toutefois insisté sur l’efficacité du vaccin à atténuer la sévérité de la maladie et les cas d’hospitalisation.
Néanmoins, nous devons rester prudents, se préparer à l’évolution de ce variant et continuer à respecter les gestes barrières.
Covid-19 : mahomby amin’ilay endrika vaovao Omicron ve ny vaksiny ?
Eny, mahomby amin’ilay endrika vaovao Omicron ny vaksiny ampiasaintsika hatreto, raha ny nambarana’i dokotera Michael Ryan, tomponandraikitry ny sampana vonjy taitra ao amin’ny sampandraharahan’ny firenena mikambana misahana ny fahasalamana na OMS. Tsy atahorana nohon’ny variant Delta ny Omicron, hoy hatrany izy.
Marina fa mora mifindra izy, saingy efa toetra ara-boajanahary any amin’ny tsimokaretina izany rehefa misy fiovan’endrika vaovao. Na eo aza izany, manamafy kosa io manam-pahaizana io fa mampihena ny fahasarotana vokatry ny aretina sy ny fampidirana hopitaly ny fisian’ny vaksiny.
Mila mitandrina hatrany anefa isika, mila miomana amin’izay mety ho fivoaran’ny variant Omicron ary tsy adinoina ny mampihatra ireo fihetsika sakana rehetra.