Isan’ireo taova manana anjara asa lehibe ao amin’ny vatana ny voa, satria io taova io no manampy amin’ny fitazomana ny fatran’ny rano ilain’ny vatana. Fa ny voa ihany koa no manadio ny rà sy manaisotra ao amin’ny vatana ny loto sy poizina rehetra mety mameno ny vatan’olombelona. Isan’ny manakorontana ny fahasalaman’ity taova ity anefa ny fihinanana fanafody be loatra na tsy mifanaraka amin’ny tokony ho izy.
Mety hitarika hatramin’ny antsoina hoe "calcul rénal" aza izany, raha ny fanazavan’ny dokotera Waibe Fabien. Tokony hitandrina ary indrindra tokony hisotro rano matetika mba hahafahana misoroka izany, hoy izy.
Les reins figurent parmi les organes les plus importants du corps humain, puisqu’ils régulent la quantité d’eau dans le corps. Cet organe purifie également le sang des poisons et toxines qui circulent dans le corps. La prise de médicaments non contrôlée et dépassant les doses normales peut cependant influent grandement sur le fonctionnement de cet organe.
Selon le docteur Waibe Fabien, cela peut même conduire jusqu’à l’apparition de ce qu’on appelle "calcul rénal". Il est ainsi important de prendre garde et surtout de boire beaucoup d’eau pour éviter cela.