Pied bot : ces pieds tordus dès la naissance. Selon Rakotovaonirina Valérien Marcel, kinésithérapeute pour enfants au centre de prévention Mahasoa-Ihosy, on voit directement dès la naissance qu’un enfant possède des pieds bots. La consommation de tisane durant la grossesse ou une forte consommation d'alcool, des anomalies dans l’utérus de la mère, tout cela peut causer la formation des pieds bots. Il peut être héréditaire mais saute une génération. Le pied bot peut être traité immédiatement après la naissance du bébé. Il peut être corrigé avec un massage ou à l’aide d’un plâtre, précise le kinésithérapeute. Si la déformation est traitée beaucoup plus tard, l’enfant devra subir une intervention chirurgicale car l'entorse de la cheville est devenue si forte qu'elle ne peut plus être massée ou plâtrée. Après cela, l'enfant apprendra à restaurer toutes ses articulations et tous ses muscles en suivant des séances de rééducation.
Â
Ireny tongotra mivadika avy any am-bohoka ireny no atao hoe « pied bot ». Tsy dia misy mahalaza azy ity amin’ny teny malagasy. Araka ny fanazavana omen’ny mpanotra ireo ankizy manana tongotra mivadika ireny, Rakotovaonirina Valérien Marcel, avy ao amin’ny centre préventorium ao Mahasoa-Ihosy, amin’ny hoe mivadika izay ny tongotra dia ny ivohon’ny tongotra no manitsaka fa tsy ny felan-tongotra. Vao ny zaza iray dia efa hita fa mivadika ny tongony. Ny fisotroan’ny reny bevohoka tambavy, fisotroana toaka be loatra mandritra ny vohoka, tsy fahalavorariana ao anatin’ny kibon’ilay reny, ireo rehetra ireo no mety mahatonga ireny pied bot ireny. Azo tsaboina avy hatrany ny pied bot vao teraka ny zaza hoy ny mpanotra Rakotovaonirina Valérien Marcel. Mora ny mitsabo azy amin’iny mbola kely iny satria malefadefaka kokoa ilay tsy fahatomombanana. Azo ahitsy amin’ny alalan’ny otra na amin’ny alalan’ny « plâtre » izany hoy hatrany ity mpanotra. Raha efa lehibe kosa no tsaboina ny tsy fahatomombanana dia tsy maintsy miditra amin’ny fandidiana satria efa miha mafy ilay tongotra mivadika ka tsy vitan’ny otra na « plâtre » instony. Vita izay dia miditra amin’ny fampianarana mandeha an’ilay zaza hamerenena amin’ny laoniny ny vanin-taolana sy ny nofo rehetra.