Les personnes trisomiques ont des caractéristiques physiques particulières : visage rond, yeux bridés, un crâne petit, des oreilles souvent plus basses, une bouche plus petite, des lèvres très minces et parfois une difficulté à contrôler les muscles de la langue. La trisomie 21 est un état chromosomique congénital provoqué par la présence d’un chromosome supplémentaire à la 21e paire, lors de la grossesse. Les personnes ayant la trisomie 21 présentent des signes cliniques distincts, accompagné souvent d’un retard cognitif et des caractéristiques morphologiques et physiologiques propres à chacun.
A Madagascar, les personnes trisomiques sont encore marginalisées. L’éducation des enfants atteints de la maladie est généralement difficile et couteuse. C’est pourquoi l’association Mada Triso s’est mobilisée pour accompagner et guider les parents des enfants trisomiques. L’association parraine actuellement environ 50 enfants. Le président fondateur de Madatriso, Andrianarintsaina Laingo a déclaré que les personnes trisomiques peuvent avoir un avenir, indépendant. L’éducation et la prise en soin de leur santé sont la clé pour leur devenir indépendant.
Hita amin’ny endrika ivelany ny olona iray trisomique na tratran’ny trisomie 21. Matetika izy ireny dia kelikely maso, boribory endrika, kely kokoa ny lohany, ny sofiny sy ny vavany ary fohy kokoa izy mitaha amin’ny olona rehetra. Vokatry ny tsy fahatombonana tamin’ny fiforonan’ny kromozoma faha 21 amin’ny vatan’olombelona no mahatonga azy io, izany hoe efa hatrany ambohoka. Tsy mijanona eo amin’izay fa mety hiteraka ihany koa tsy fahatomombanana ara-tsaina ny trisomie 21, na aretina hafa any amin’ny fo na vavony na eo amin’ny fahitana sns. Vokatr’izay dia mila fanaraha-maso ara-pahasalamana akaiky ireo olona trisomique ary misy aza ireo izay mihinana fanafody mandritra ny fotoana ahavelomany.
Eto Madagasikara dia mbola voahilika ny olona Trisomique. Mbola sarotra sy lafo ny fampianarana ireo zaza tratran’izay aretina izay. Izay no antony nijoroan’ny fikambanana Mada Triso mba hitantsoroka sy hanoro lalana ireo ray aman-dreny amin’ny fanabeazana ireo zaza tratran’ny Trisomie 21. Manodidina ny 50 eo izao ireo ankizy omen’ny fikambanana fanohanana. Nilaza ny filoha mpanorina ny Madatriso, Andrianarintsaina Laingo fa afaka manana ho avy tsara sy tsy miankin-doha ary tsy vesatra ho an’ny fianakaviana foana ny olona Trisomique ka ny fanabeazana azy ireo sy fandraisana an-tanana ny fahasalamany no ahafahana mampahaleo tena.