Une étude récente a été réalisée, entre le 26 août 2021 et le 22 janvier 2022, pour déterminer la durabilité de la protection après trois doses de vaccins. Il est important de souligner qu’elle a été faite dans les services d’urgences de 14 centres médicaux américains dans 10 Etats différents.
Résultat : la protection conférée par la 3e dose serait plus élevée que celle obtenue avec deux doses de vaccin, contre les formes symptomatiques et graves du Covid-19. L’efficacité est de 87% contre les visites aux urgences et 91% contre l’hospitalisation dans les deux mois qui suivent l’injection, rapporte le magazine Futura.
Quatre mois après la dose de rappel, l’immunité baisse à 66% et 78% respectivement. On estime que le taux d’efficacité serait nettement supérieur chez les personnes asymptomatiques ou avec des symptômes légers.
Covid-19 : maharitra hafiriana ny hery fiarovana omen’ny fatra fanampiny amin’ny vaksiny ?
Nisy fikarohana natao teo anelanelan’ny 26 aogositra 2021 sy 22 janoary 2022 hijerena ny faharetan’ny fiarovana aorian’ny fanaovana fatra fahatelo amin’ny vaksiny. Marihina fa natao tao amin’ny sampana vonjimaika miisa 14 tamina ivon-toeram-potsaboana manerana firenena 10 tao Etazonia izy ity.
Vokany : ambony kokoa ny taham-piarovana omen’ny fatra faha-3, manoloana ny tranga atahorana amin’ny Covid-19, miohatra ny fatra 2 voalohany. Araka ny nambaran’ny gazetiboky Futura , dia 91% sy 87% ny tahan’ny fiarovana entiny amin’ny fampidirina hopitaly sy fampidirina ao amin’ny sampana vonjimaika, 2 volana taorian’ny fanindromana.
Efa-bolana aty aorian’ny fatra fanampiny, midina ho 66% sy 78% avy ny taham-piarovana amin’ireo tranga atahorana roa ireo, izay nanaovana fikarohana. Heverina fa ambony kokoa izany taha izany any amin’ny olona tsy misy soritraretina na maneho soritraretina maivana.