COVID-19 : Tous ensemble face au virus

MagazinesConseils santé / SantéNakà

©Rakotovaogael
Une équipe médicale durant la période de peste à Madagascar.

Le paludisme et la peste à Tsiroanomandidy

Il y a deux semaines, un cas de paludisme a été détecté à Tsiroanomandidy. A l’heure actuelle, le paludisme fait partie du top 5 des maladies les plus mortelles dans le monde. C'est durant la saison de pluie que le paludisme fait le plus de victime. Le dépistage se fait par un test TDR qui donne un résultat immédiat. Les symptômes se développent rapidement : une forte fièvre, des vomissements et des douleurs à la nuque. Selon le Dr Ravosoa, même un bébé de 2 mois peut contracter la maladie si on n'y fait pas attention. Le nombre de cas de paludisme a diminué cette année par rapport à l'année dernière.

Tsiroanomandidy enregistre des cas de peste chaque année. Selon le Dr Randriatsizafy Fenosoa, directeur régional de la santé publique de la région de Bongolava, la période de haute transmission se situe entre le mois d’août jusqu’au mois de mai. La peste persiste encore dans la région Bongolava en raison de l’altitude de la localité, percée à 800 mètres. L’élevage bovin et la production agricole sont également deux facteurs rendant difficiles l’élimination des rats, et par conséquent, des cas de peste.

 

Studio Sifaka · 2022-03-02 Fandaharana SANTENAKA - TAZO & PESTA TSIROANOMANDIDY

 

Nahitana trangana aretina tazomoka tao Tsiroanomandidy roa herinandro lasa izay. Tafiditra anaty aretina 5 voalohany mahafaty olona indrindra ny tazomoka. Fotoanan’ny rotsakorana no tena mampirongatra azy. Mivaly eo no ho eo ny fitiliana atao amin’ny tazomoka. Miakatra ny hafanana, mandoa, marary hatoka, ireo no soritr’aretina matetika hita rehefa voan’ity aretina ity. Tsy misy sokajin-taona ny olona voa. Araka ny fanazavan’ny Dokotera Ravosoa, zaza 2 volana dia mety ho tratran’ny aretina raha tsy mitandrina. Nihena kosa ny tahan’ny olona voan’ny tazomoka tamin’ity taona ity raha oharina tamin’ny taon-dasa.

Tsy maintsy misy trangana pesta ao Tsiroanomandidy isan-taona. Araka ny fanazavan’ny Dokotera Randriatsizafy Fenosoa, talem-paritry ny fahasalamam-bahoaka ao amin’ny faritr’i Bongolava, eo anelanelan’ny volana aogositra sy ny volana may no tena ambony ny tahan’ny fisian’ny trangana pesta ao Tsiroanomandidy manokana. Tsy mety foana tanteraka ny pesta any amin’ny faritra Bongolava noho ny hahavon’ny toerana misy ny tanàna (any amin’ny 800 metatra) izay manome bahana ny fisian’ny pesta. Ny fomba fiaina miaraka amin’ny biby fiompy sy ny vokatry ny fambolena ihany koa no tena mahatonga ireo voalavo mitondra ny pesta ao an-toerana sy ireo parasy avy amin’ireo voalavo maty.

Pour en savoir plus sur nos activités
M'inscrire à la newsletter