Le vahona ou Aloe est bien connu pour ses vertus médicinales. Il est cicatrisant et guéri les brûlures, aide à la constipation passagère, les lésions et les infections. Aussi utilisé dans les produits de beauté, le vahona contient plus de 250 vitamines et fer. La variété d’aloe le plus courant à Madagascar est l’aloe vera. On trouve aussi de l’aloe macroclada. Il en existe plus de 400 espèces dans le monde. L’aloe ne peut être conservé pendant plusieurs jours, selon le Dr Jean Claude Ratsimivony. Aussi, il faut faire attention aux conditions de conservation, de manipulation et du dosage avant toute utilisation
Ce qu’il faut savoir avant d’utiliser les méthodes de contraception.
Les méthodes contraceptives les plus utilisées à Madagascar restent le préservatif, la pilule contraceptive et l’injection. Certaines femmes choisissent également le dispositif intra-utérin DIU ou les méthodes de stérilisation considérée comme définitive. Ces dispositifs peuvent entrainer des effets secondaires indésirables, comme la perte ou la prise de poids, des règles irrégulières, des maux de tête, des douleurs gastriques, etc. Mais ces derniers n’entravent pas pour autant l’efficacité des méthodes de contraception, explique le Dr Géraldine Ramanamisata.
Aretina maro no sitran’ny vahona, azo atao fanafody izy, manatsara ny rà, manala ny mivontovonto rehetra ary manakatona fery. Fampiasa amin’ny tarehy, hoditra na volo ihany koa ny vahona. Otrik’aina manodidina ny 250 no hita ao anatiny. Ny vahona hita eto amintsika dia ny aloe macroclada, misy koa ny aloe ferox fa ilay tena be mpahafantatra dia ny aloe vera. Tokony ho fantatra ny fiavian’ny vahona vao manjifa azy, ary indrindra ny toerana ividianana azy. Tsy azo tehirizina maharitra ela anefa izy aorian’ny niotazana azy, ary mila tandremana ny fatra tokony ho izy amin’ny fikarakarana sy fihinanana. Miresaka momba izay I Dr Jean Claude Ratsimivony, avy ao amin’ny groupe JCR.
Inona ireo karazana fandrindram-piterahana be mpampiasa eto amintsika ? Ny pilina, ny tsindrona, ny fimailo, ny implanon atao amin’ny sandry, ny DIU atao amin’ny vozon’ny tranon-jaza, ary ny ligature izay mampiato tanteraka ny fiterahana. Ao anatin’ny fomba fiasan’ireo fitaovana ireo ny atao hoe “effets secondaires”, toy ny aretin’andoha, ny aretim-bavony, ny fihenana na fitomboan’ny vatana, ny tsy fahatongavan’ny fadim-bolana mihitsy, na koa mety ho tonga fa amin’ny tsy ampoizina, izany hoe misy fikorontanana. Na izany aza dia miankina betsaka amin’ny toe-batana sy toe-pahasalaman’ny vehivavy iray ny mety hitrangany na tsia. Ny tombony kosa amin’ny fanaovana fanabeazan’aizana hoy ny mpitsabo Géraldine Ramanamisata, ankoatra ny maha fandrindram-piterahana azy, dia izy mampihena ny fiforonan’ny homamiadan’ny nono sy ny vozon’ny tranon-jaza.