Le nombre de personnes portant le VIH/SIDA a doublé à Madagascar ces trois dernières années, selon le SE-CNLS ou le Comité National de Lutte contre le Sida. 9227 personnes ont été déclarées positives en décembre 2021, contre 4400 en 2018. Les personnes diagnostiquées du SIDA se rajeunissent également, a déclaré  Ravelohanta Mananarisoa, coordonnatrice de l’association AINGA/ AIDES. Le virus se propage au sein de la population en générale et ne se limite plus seulement à la population clé plus exposée à la transmission VIH comme les hommes ayant des rapports sexuels avec des hommes, les usagers de drogues par injection et les professionnelles  de sexe. Le dépistage est primordial, explique le docteur Irène Rajerison car il permet de connaître le statut sérologique de chaque individu, d’où l’on pourra procéder au traitement. Il devrait être gratuit, dans les centres de santé et tenu confidentiel. Dans cette optique, le programme SYCAVI ou système communautaire d'alerte sur le VIH, a commencé en 2021, comprenant des enquêtes, observations, médiations et dépistage communautaire, surtout auprès des groupes vulnérables. En effet, jusqu’ici,  seulement un quart d'entre eux ont procédé au dépistage.
Nitombo avo roa heny ny isan’ny olona voan’ny tsimokaretina Sida tao anatin’ny 3 taona teto Madagasikara hoy ny komity misahana ny ady amin’ity aretina ity na ny SE-CNLS. 9227 no olona voatily fa misy ny tsimokaretina SIDA ny faran’ny taona 2021 teo raha 4400 izany ny taona 2018. Mihatanora ihany koa ireo olona voatily ireo hoy ny mpandrindra ny fikambanana AINGE AIDES, Ravelohanta Mananarisoa. Mihamiparitaka amin’ny karazana olona rehetra fa tsy amin’ireo marefo atahorana ho mora handairan’ny tsimokaretina VIH ihany dia ireo lehilahy manao firaisana aranofo amin’ny lehilahy, ireo olona mitsindrona zava-mahadomelina, ary ireo mpampanofa tena. Zava-dehibe ny fanaovana fitiliana hoy ny dokotera Rajerison Irène, satria arakaraky ny hahitana ny dingana misy ny tsimokaretina VIH eo amin’ny  olona iray no hahafahana mitsabo izany. Tokony maimaimpoana izany, eny anivon’ireo toeram-pitsaboana ary tanana ho tsiambaratelo ihany koa. Ny taona 2021 teo moa no nanomboka ny SYCAVI na système communautaire d’alerte sur le VIH, izay hanaovana fanadihadiana sy fitiliana na dépistage communautaire, indrindra eo anivon’ireo vondrona marefo. Mbola ny iray ampahaefatr’izy ireo ihany mantsy no nanao fitiliana hatreto.