Le 7 mars 2022, le magazine scientifique Nature (en anglais) a publié les résultats d’une étude, conduite par une vingtaine de chercheurs américains.
Cette étude a révélé que les anciens malades de la COVID ont globalement vu leur cerveau se réduire. En d’autres mots, l’infection entraine une perte ou une lésion de 0.2% à 2% des tissus cérébraux. La zone de cerveau la plus frappée est celle liée à la perception des odeurs.
Gwenaëlle Douaud, chercheure à la clinique des neurosciences à Oxford, rassure tout de même que ces effets ne sont pas irréversibles. Le patient pourra retrouver pleinement son odorat au fil du temps. D’autant plus que, la perte d’une partie des tissus cérébraux fait partie du vieillissement normal à chaque individu.
Â
COVID-19 : Inona no mety ho fiatraikany any amin’ny atidoha ?
Ny 7 martsa 2022 lasa teo, namoaka ny valin’ny fikarohana nataony ireo mpikaroka maromaro any Etazonia momba izay fanontanaina izay.
Hita ary fa amin’ny ankapobeny, nahitana fihenana kely ny haben’ny atidohan’ireo olona efa voan’ny COVID-19. Izany hoe nisy ampahany kely simba na maty tamin’ireo sela ao anaty loha, eo anelanelan’ny 0.2% sy 2% eo. Ireo sela mpamantatra fofona na hoe odorat no tena voakasika indrindra.
Na izany aza, milaza I Gwenaëlle Douaud, mpikaroka ao amin’ny clinique des neurosciences any Oxford fa tsy hoe tsy azo avotana intsony akory izany. Miverina tsikelikely ireo sela maty ireo hoy izy. Sady anatin’ny fivoaran’ny olombelona rehetra ny hoe misy sela simba na maty any anaty atidoha.