Les parents sont encouragés à faire vacciner leurs enfants et à leur donner de la vitamine A. La vitamine A renforce l'immunité des enfants, explique le Dr Helene Raharivahoaka. Le corps est plus résistant aux maladies. La vitamine A doit être prise entre six mois à 4 ans et demi. Le lait maternel contient également de la vitamine A. Les aliments de couleur jaune, comme les carottes, les lentilles, les papayes, contiennent aussi de la vitamine A. En plus des fruits, les brèdes, les patates douces et les foies renferment également de la vitamine A.
Les autorités ont lancé une campagne vaccinale pour augmenter le taux de vaccination contre le covid-19 entre le 23 et fin mars dans la région de Bongolava. Selon Rasazy Justine Nirina, responsable de la vaccination dans le district de Tsiroanomandidy, 8 centres de santé sont concernés par cette campagne. Cependant, les vaccinations régulières se poursuivent dans les  centres de santé habituels. Le taux de vaccination dans le district est à 4% jusqu'à présent, a indiqué la responsable.
Entanina ireo ray aman-dreny hanao vaksiny ny zaza sy hanome azy vitamina A. Mampitombo ny hery fiarovan’ny ankizy manoloana aretina maro ny vitamina A hoy ny Dokotera Raharivahoaka Helène. Matanjaka kokoa ny toe-batana miatrika ireo aretina mety hahavoa azy. Eo amin’ny enim-bolana hatramin’ny 4 taona sy tapany eo no tokony hihinana izay vitamina A izay. Misy vitamina A ihany koa ny nonon-dreny. Ireo sakafo miloko mavo ireny, tahaka ny karaoty, akondo, papay, ihany koa dia ahitana izay vitamina A izay. Ankoatra ireo voankazo, ny anana isan-karazany, ny voamanga, ny ati-kena dia ao anatin’izay daholo.
Nanao ezaka ny tompon’andraikitra hampiakarana ny tahan’ny fanaovana vaksiny miady amin’ny covid-19 teo anelanelan’ny 23 martsa sy 30 martsa tao amin’ny faritra Bongolava. Araka ny nambaran’ny Rasazy Justine Nirina, tompon’andraikitry ny vaksiny eo amin’ny distrikan’i Tsiroanomandidy, miisa 8 ireo tobim-pahasalamana nanaovana izay ezaka izay. Mitohy hatrany anefa ny fanaovam-bakisiny mahazatra eny anivon’ny tobim-pahasalamana ambiny. Mbola eo amin’ny 4% ny taham-pahavitrihana eo amin'ny distrika hatreto hoy hatrany ny tompon’andraikitra.