D’après le rapport de l'Enquête par Grappes à Indicateurs Multiples ou Multiple Indicators Cluster Survey (MICS) réalisée en 2018, deux femmes sur 10 accouchent dans un établissement médical et une femme sur deux est accouchée par une personne qualifiée. Ambovombe Androy est concerné par cette réalité, mais depuis, la situation s’est assez améliorée selon le reportage dans le Centre Hospitalier de Référence Régional Monja Jaona d’Ambovombe. A part la crainte de venir dans les hôpitaux, avec les coûts des soins occasionnés, le long déplacement vers les centres de santé se trouve être un autre problème. Les femmes enceinte sont obligées soit de marcher, soit de faire la route en charrette, même si la prise en charge est gratuite pour le moment.
Si les femmes ne viennent pas accoucher à l’hôpital, c’est qu’elles se font consulter auprès des  matrones : accoucheuse traditionnelle. C’est risqué pour la santé de la femme et l’enfant parce que les matrones n’utilisent pas de matériels aux normes médicales, ni de techniques appropriées à l’accouchement, nous explique Razafimamonjy Tiana Nandrianina, major de service à la maternité du CHRR Ambovombe.
Araka ny antontan’isa azo avy amin’ny fanadaihadiana MICS tamin’ny taona 2018 dia 2 amin’ny vehivavy 10 eo  ihany no miteraka any amin’ny tobim-pahasalamana ary amin’ny 1 amin’ny vehivavy roa no ampiterahan’olona matihanina. Isan’ny mbola ahitana izay tranga tsy fanantonana tobim-pahasalamana izany ny any Ambovombe Androy na dia efa misy fivoarany aza izany amin’izao fotoana araka ny fanadihadiana tao amin’ny hopitaly be Monja Jaona Ambovombe. Mbola sakana ho an’ny vehivavy ankoatra ny tahotra sy ny fandaniana ny halaviran’ny tobim-pahasalamana. Kanefa tsy misy fitaterana ankoatra ny sarety sy ny dia an-tongotra any an-toerana na dia maimaimpoana aza ny fandraisana an-tanana azy ireo ao amin’ny hopitaly.
Rehefa tsy makany amin’ny hopitaly anefa izy ireo dia any amin’ny reninjaza, izay vehivavy mpampiteraka amin’ny fomba nentim-paharazana. Atahorana anefa izany amin’ny fahasalaman’ny reny sy ny zanany noho ny tsy fampiasan’izy ireo fitaovana matihanina sy tekinika ary fomba ara-medikaly araka ny fanazavan’i Razafimamonjy Tiana Nandrianina, major de service ao amin’ny Maternité Hopitaly be Ambovombe, ary mety ahazoana aretina toy ny VIH Sida.Â