Le khat et le cannabis entrent tous deux dans la catégorie des drogues douces. Mais selon les explications du Docteur Fenohasina Toto Jean Félicien, psychiatre membre de l’association PsyKôzy, une drogue est une drogue, elle conduit à l’addiction. Le cannabis et le khat n’ont pas les mêmes effets. Le cannabis a des effets relaxants. Le khat par contre stimule le cerveau, donc a des effets excitants. Mais le docteur Tahinarilafy Jocelyn, de la polyclinique d’Antsiranana nous partage les effets du khat sur l’organisme. Etant donné que le khat se mastique, il a des effets sur le tube digestif : de la bouche aux intestins. Il provoque alors des aphtes, des ulcères et même des cancers de l’estomac. Avec les produits qui dérèglent le fonctionnement de l’intestin, il peut provoquer des constipations. Outre les effets sur le tube digestif, il provoque la tachycardie, ce qui provoque une palpitation chez les jeunes. Ces drogues sont aussi à l’origine de divers troubles mentaux, ils dérèglent les éléments chimiques du cerveau selon toujours les explications du docteur Félicien. Mais cela peut s’ajuster à l’aide de médicaments.
Â
Â
Ny katy sy ny rongony na cannabis dia tafiditra ao anatin'ny sokajin’ny zava-mahadomelina malefaka. Araka ny fanazavan’ny Dokotera Fenohasina Toto Jean Félicien, mpitsabo saina ao amin’ny fikambanana PsyKôzy anefa, dia mitovy foana ihany rehefa zava-mahadomelina : miteraka fiankinan-doha ary misy fiantraikany amin’ny saina. Ny dokotera Tahinarilafy Jocelyn, avy ao amin’ny polyclinic Antsiranana, dia mizara amintsika ny vokatry ny katy amin’ny vatana. Satria tsakoina ny katy dia misy fiantraikany any amin'ny lalan-kanina: manomboka amin'ny vava ka hatrany amin'ny tsinay. Mampisy « aphtes » ao am-bava, « ulcères » sy homamiadan’ny vavony. Manelingelina ny fiasan'ny tsinay ny singa ao anatin’ny katy ka miteraka fitohanana. Ankoatra ny fiantraikany amin'ny lalan-kanina dia miteraka tachycardie, izany hoe mambidobodoboka be ny fo amin'ny tanora izy. Raha eo amin’ny saina dia tsy mitovy ny vokatry ny rongony sy ny katy. Ny rongony dia manana fiantraikany mampitony. Ny katy kosa dia manentana ny atidoha, noho izany dia misy vokany mampientanentana. Manome fikorontanana ara-tsaina ireo zava-mahadomelina ireo, manelingelina ny singa simika ao amin’ny atidoha araka ny fanazavan’ny dokotera Félicien hatrany. Azo tsaboina amin’ny alalan’ny fanafody anefa izany.
Â