Depuis le début de la pandémie, l’Afrique a reçu près de 980 millions de doses de vaccins covid-19. Mais seulement 68% ont été utilisées jusqu’à maintenant. Une personne sur 5 est complètement vaccinée.
Il existe 7 vaccins différents déployés sur tout le continent. Le vaccin Johnson & Johnson reste le plus prisé, suivi de Pfizer, d’AstraZeneca et de Sinopharm. Certains pays sont particulièrement en avance dans la campagne de vaccination, à l’exemple de Maroc, Tunisie, Botswana ou encore Mozambique où presque la moitié de la population est vaccinée.
Hatramin’ny nanombohan’ny fanaovam-baksiny dia nahazo fatra miisa 980 tapitrisa mahery ny kaontinanta afrikana. Hatreto anefa, ny 68% amin’ireo ihany no efa nampiasaina. Olona iray amin’ny 5 no nahavita vaksiny feno amin’ny covid-19.
Misy karazany fito ny vaksiny miparitaka aty Afrika amin’izao. Fa ny vaksiny Johnson & Johnson no be mpisafidy indrindra, manaraka azy ny Pfizer, AstraZeneca sy Sinopharm. Misy firenena vitsivitsy efa lasa aloha amin’ny fanaovana vaksiny, toa an’i Maroc, Tunisie, Botswana na ihany koa Mozambika. Saika ny antsasa-manilan’ny mponina ao aminy no efa nahavita izany.