Même si on s’expose au soleil, on peut toujours attraper la COVID-19. Qu’il fait beau, ou qu’il fait froid, on peut toujours être contaminé quand on est en contact avec une personne infectée ou quand on vient de toucher une surface à risque et qu’on ne s’est pas protégé.
Par contre, les scientifiques ont conseillé l’exposition au soleil des patients lors des traitements. Les rayons de soleil boostent la vitamine D selon eux, cela peut réduire les risques des infections respiratoires dus au virus ou aux bactéries.
Prendre le soleil à peu près 20 mn par jour est suffisant, souligne l’Agence Nationale Sécurité Sanitaire Alimentaire Nationale (Anses) de France.
Une autre étude menée par des chercheurs de l’université d’Édimbourg (Écosse) en 2021 a montré que le taux de mortalité due à la COVID19 est moindre dans les régions plus exposées au soleil. Comme hypothèse, ces chercheurs pensent que cette exposition au soleil donne une meilleure santé cardiovasculaire.
Mety ho voan'ny COVID-19 foana na dia amin’ny toerana tratran'ny masoandro aza. Na mafana ny andro na mangatsiaka, mety ho voa foana rehefa mifandray amin'ny olona voan'ny coronavirus na vao avy nikasika zavatra atahorana kanefa tsy niaro tena.
Milaza kosa ny mpahay siansa fa mila mitanin’andro ireo olona voan’ny COVID-19, mandritra ny fitsaboana. Mampiakatra ny vitaminina D ny tara-masoandro araka ny filazan’izy ireo, izay mety mampihena ny areti-pisefoana vokatry ny tsimokaretina na ny bakteria.
Eo amin’ny 20 minitra eo ho eo isan’andro no mitanina andro hoy ny Sampan-draharaham-pirenena misahana ny fiarovana ny sakafo (Anses) any Frantsa.
Nisy fikarohana mikasika izay ihany koa anefa tany amin’ny Oniversite Edinburgh (Ecosse) tamin'ny 2021. Nilaza izy ireo fa ambany ny taham-pahafatesana noho ny COVID19, any amin'ireo faritra tratran’ny masoandro bebe kokoa. Araka ny filazan’izy ireo, tsara kokoa ny fahasalaman’ny fo rehefa mahazo  masoandro tsara, ka tony kokoa ny tosi-drà .