Non. Les vaccins contre la COVID-19 ne peuvent pas atteindre l’ADN humain.
Les premiers vaccins produits contre la COVID19 sont les vaccins ARN messagers. Comme le Pfizer/BioNTech. Ce sont des sortes de protéines virales appelés Spike, qu’on introduit dans nos cellules. Notre organisme réagit à son tour en produisant des protéines servant d’anticorps, pour nous protéger des virus. D’abord, ces vaccins ARNm touchent les cellules immunitaires mais pas les cellules des organes reproducteurs. Puis, ils n’atteignent pas le noyau des cellules. Pourtant, notre code génétique ou ADN se trouve dans ce dernier. Les vaccins messagers ARNm ne restent dans notre cellule que pendant 72 heures. Ils se dégradent après. Certains virus comme le VIH contiennent des enzymes qui transportent leur matériel génétique dans l’ADN. Mais ce n’est pas le cas des vaccins ARNm. Il n'y a donc pas de risque de modification. La technologie de l’ARN a été étudiée depuis 30 ans déjà . On l’a appliqué sur la lutte contre le coronavirus après.
COVID19 : marina ve fa afaka manova ny ADN an’ny olombelona ny vaksiny ?
Tsia. Tsy mananika ny ADN an’ny olombelona ny vaksiny iadiana amin’ny COVID-19.
Karazana vaksiny voalohany iadiana amin’ny COVID19 ny vaksiny ARN messager. Tahaka ny Pfizer/BioNTech. Karazana proteinina an’ilay tsimokaretina izy io, antsoina hoe Spike, ampidirina amin'ny selan-tsika. Vokatr’izay, mamokatra proteinina ihany koa isika, ary lasa hery fiarovana ho antsika izany. Voalohany, ny selan’ny hery fiarovana no kitihan’ireo vaksiny ARNm fa tsy ny selan'ny taovam-pananahana. Tsy tonga any amin'ny ivon’ny sela ihany koa izy ireo, izay mitahiry ny ADN antsika. Manaraka izay, mandritra ny 72 ora ihany ny vaksiny ARNm no mijanona ao amin’ny selan’ny vatan’olombelona. Ny tsimokaretina sasany toy ny VIH izao dia manana singa mamindra ny foto-tarazony ao amin'ny ADN an’ny olombelona. Saingy tsy manana izay ny vaksiny ARNm. Teknolojia efa nanaovana fikarohana nandritra ny 30 taona ny vaksiny ARNm. Fa avy eo nampiharina tamin'ny ady amin'ny coronavirus.