D’abord, on dit qu’une personne est dépendante lorsqu’elle n’est plus capable d’accomplir un acte dans sa vie quotidienne sans la consommation de cette substance. On peut être dépendants à l’alcool, aux drogues, aux médicaments, etc.
Il existe deux types de dépendances dans ce cas : la dépendance physique et la dépendance psychique.
La personne a une dépendance physique quand elle veut constamment consommer plus de dose pour pouvoir fonctionner au quotidien. Elle ressent un manque de ce produit et cela provoque chez elle des troubles physiologiques. Maux de têtes, tremblements, nausées, douleurs…On appelle cette étape le sevrage.
Quant à la dépendance psychologique. Il s’agit du changement du comportement et de la personnalité de la personne. Cela peut durer longtemps car elle est plutôt liée aux habitudes de la personne. Elle a besoin de ladite substance pour pouvoir réfléchir et pour se sentir bien. Par exemple, elle a l’habitude de fumer une cigarette à chaque heure de pause et ne peut donc se détacher de ce mode de vie.
Atao hoe fiankinan-doha aloha raha toa ny olona iray tsy afaka manohy miaina ara-dalà na intsony eo amin'ny fiainany andavanandro raha tsy mandray azy io. Mety ho toaka izany, mety hoy ilay zava-mahadomelina voalaza mihitsy, mety ho fanafody ihany koa, sns.
Misy karazany roa ny fiankinan-doha amin'ity tranga ity : fiankinan-doha ara-batana sy fiankinan-doha ara-tsaina.
Miankin-doha ara-batana ny olona iray rehefa te handray fatra bebe sy ambony kokoa foana mba hahafahany miaina sy miasa isan'andro. Mahatsapa tsy fahampiana eo amin’ny vatany izy ary miteraka aretina ara-batana izany. Marary andoha, mangovitra, maloiloy, manaintaina… antsoina hoe « sevrage » ity dingana lalovany ity.
Mikasika ny fitondran-tena sy ny toetran’ilay olona ny miankin-doha ara-tsaina. Mety haharitra ela izany satria mifandray amin'ny fahazarana. Mila mandray ilay zava-mahadomelina izy vao afaka mieritreritra sy mahazo aina ao anatiny. Ohatra ihany koa, zatra mifoka sigara isaky ny ora fiatoana izy ka sarotra ho azy ny miala amin’izany fomba fiaina izay isanandro.