Autrement dit médecine alternative. C’est l’ensemble de toutes les thérapies qui utilisent des moyens naturels pour la prévention  de maladie ou pour soulager les douleurs. La médecine douce est complémentaire avec la médecine conventionnelle mais ne peut en aucun cas la remplacer. Elle ne peut donc pas être utilisée dans les traitements ou les analyses.
Il existe 400 types de disciplines dans la médecine douce selon l’Organisation Mondiale de la Santé. Par exemple, l’acupuncture qui consiste à stimuler les différents points du corps avec des aiguilles, l’ostéopathie qui est une technique de manipulation pour relâcher les muscles et des articulations du corps, utilisée surtout pour soigner les maux de dos, la diététique pour une alimentation équilibrée. La naturopathie aussi qui utilise les plantes médicinales etc. Mais les pratiques sont réservées aux spécialistes dans chaque discipline. Il est toujours conseillé de consulter un médecin. Â
Inona moa ny atao hoe médecine douce?
Ny fitsaboana rehetra izay mampiasa fomba voajanahary ho fisorohana ny aretina na hanamaivanana ny fanaintainana no atao hoe médecine douce. Mifameno amin’ny fitsaboana mahazatra atao amin’ny alalan’ny fanafody izy io fa tsy mahazolo an’ity farany anefa. Tsy hahazoana vokany araka izany raha manao fitiliana.
Misy karazany 400 ny médecine douce hoy ny vondron’ny firenena mikambana misahana ny Fahasalamana. Ohatra, ny acupuncture izay manetsika teboka samihafa amin'ny vatana amin'ny alalan’ny fanjaitra, ny osteopathie izay teknika hanetsehana ny hozatra sy ny vanintaolana, ampiasaina indrindra amin'ny fitsaboana ny fanaintainan'ny lamosina, Dietetique izay momba ny fandanjalanjana ny sakafo. Naturopathie koa izay ampiasana ny zava-maniry sns. Saingy misy manam-pahaizana manokana isaky ny taranja izany fa tsy ny rehetra akory no afaka manao azy. Tsara foana noho izany ny manontany ny torohevitry ny dokotera.