La sous-alimentation peut être un empêchement important pour un enfant de rejoindre l’école. Actuellement, ils sont 1 200 000 à bénéficier de la cantine scolaire dans tout Madagascar, justement pour remédier à ce problème. En effet le ministère de l’éducation nationale a mis ce projet en place depuis 2021, notamment dans les écoles publiques. Le riz, les légumes et la viande sont les principales nourritures à distribuer.
Ny tsy fahampian-tsakafo dia mety ho sakana lehibe amin'ny fahafahan'ny ankizy mandeha mianatra any an-tsekoly. Amin’izao fotoana izao dia mahatratra 1 200 000 ny ankizy misitraka tohana ara-tsakafo any an-tsekoly manerana an’i Madagasikara, mba hamahana izany olana izany indrindra. Nanomboka ny taona 2021 no nampiharan’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena io tetikasa io, indrindra ho an’ny sekolim-panjakana. Vary sy legioma ary hena no zaraina amin’izany.