Dans la culture malgache, les rivières, les fleuves et la mer représentent chacune, une valeur sacrosainte qu’il faudrait préserver. En ce qui concerne la mer, nombreux sont les Malgaches qui la vénèrent et l’utilisent à des fins sacrées.
Selon le traditionnaliste Ankoay, étymologiquement, le terme « ranomasina » vient du caractère salé de cette eau. Mais en parallèle, la mer a toujours eu ses tabous et ses valeurs, variant d’une région côtière à une autre. C’est le cas, par exemple, du Fitampoha Sakalava, célébré tous les cinq ans au bord de la mer de Belo sur Tsiribihina. Lors de cette activité culturelle, les Sakalava font le bain sacré des ossements des ancêtres dans cette mer. A Sainte Marie, l’océan est également sacré car il abrite les baleines qui participent au Festival des Baleines, événement qui fait la réputation de l’île. Enfin toujours selon Ankoay, pour certains pêcheurs, un pacte avec la mer est conclu pour éviter de se noyer ou d’être emporté par elle lors de la pêche et des activités marines.
Par ailleurs, à Vohipeno, la pureté de la mer ne doit pas être dénaturée par le porc, un des principaux tabous dans la culture malagasy, indique le Prince Jean Rakotomahazo. « Si vous avez mangé de la viande porcine et que vous traversez l’océan, vous risquez la mort », informe-t-il.
Pour l’artiste plasticien et historien Hemerson Andrianetrazafy, les tabous font partie des piliers de la culture malgache. Et chacune des sociétés malgaches a ses propres « fady » qu’il faut respecter.
Amin’ny Malagasy, na ranomamy na ranomasina dia manan-jina avokoa ary tokony hajaina tanteraka. Raha ny ranomasina manokana no resahana, betsaka ny azo hampiasaina azy io ary maro ny Malagasy no manana finoana amin’ny hasin’ny ranomasina.
Raha ny nambaran’ny mpahay fomban-drazana Ankoay, noho izy masira no nandikana ara-bakiteny ilay rano ho ranomasina. Saingy tena manana ny hasiny sy ny fadiny kosa ny ranomasina, arakaraka ny toerana misy azy, hoy hatrany Ankoay.
Ohatra amin’izany ny ranomasina fanaovana Fitampoha Sakalava ao Belo ambonin’i Tsiribihina, ny ranomasina any Sainte Marie rehefa « Zanaharibe ». Misy ihany koa, hoy izy, ny ranomasina izay hanaovan’ny mpanjono sy ny mpiandriaka fati-dra, ka na inona na inona mitranga eo dia tsy lasan’ny ranomasina izany izy ireo.
Nanambara ihany koa ny Printsy ao Vohipeno, Rakotomahazo Jean, fa fady kisoa ny ranomasina malagasy ka raha toa ka avy nihinana an’io zava-pady ny olona iray ka mankeny dia mety tsy ho averin’ilay ranomasina intsony.
Mifandray amin’izay indrindra, ivon’ny kolotsaina tokoa ny fady ary ny tanà na rehetra dia misy avokoa, na aiza na aiza, hoy ny mpanakanto sady mpahay tantara sy fomban-drazana Andrianetrazafy Hemerson. Tokony hajaina ny fady mba tsy ahafahan’ny ozona mihatra sy manan-kery amin’ny rehetra.