En 1860, lors du règne d'Andriamasinavalona, tout projet de construction au palais royal de Manjakamiadana était soumis au devin et conseiller spirituel du roi, Ranokombe, qui a imposé des sacrifices pour donner plus de valeur et de sacralité au palais. Un homme dénommé Trimofoloalina s’est porté volontaire pour être sacrifié sur la place de Besakana, par amour pour sa patrie. Malgré sa dévotion, sa mise à mort n'a pu aboutir. Par contre, c'était à partir d’une infime partie de son corps que quelques gouttes de sang ont été prélevées pour bâtir l’édifice. Faniry Ravelo, traditionnaliste malagasy, rajoute quelques explications quant aux interdictions de faire des sacrifices humains pour les Malgaches. Dans la seconde partie de l'émission, Arisaona Andriatsiferana, un sociologue parlera du « valitanana » dans les campagnes.
Tamin’ny fitondran’ny mpanjaka Andriamasinavalona no nipoiran’i Trimofoloalina, rehefa nanaiky ny fangatahan’ny mpanjaka ho atao sorona, mba hampiorina tsara ny fanjakana sy entina hananganana ny lapa. Tsy tanteraka anefa ny fanalana ny ain’i Trimofoloalina noho ny fahitan’ny mpanjaka fa tia tanindrazana izy. Nitondra fanampim-panazavana i Faniry Ravelo, mpahay fomba malagasy fa  fady teo amin’ny Malagasy ny manao sorona olona fa ny biby toy ny akoho, omby ary ny ondry no tena fanaovana sorona. Antony tsy nanalana ny ain’i Trimofoloalina izany. Ary noho ilay zo tsy maty manota ihany koa dia tsy afaka ny alatsa-dra intsony izy sy ny taranany, tsy azo gadraina ihany koa i Trimofoloalina fa afaka saziana kosa raha sanatria tratra nanao adisoana. Na eo aza izany, tsy iharan’ilay fitsipim-piarahamonina napetraky ny mpanjaka Andriamasinavalona ny taranany. Ary ao anatin’ny tapany faharoa amin’ny sandrify ihany koa no hitondran’i Arisaona Andriatsiferana, mpahay fiarahamonina, mahakasika ny valintanana any amin’ny tontolo ambanivohitra.