Erica Rakotonoely, chanteuse de rock malagasy, est invitée au Studio Sifaka, ce dimanche 6 septembre. Elle jongle entre le pop rock et le soft rock, et va parfois jusqu’au hard-rock lors des cabarets. « Depuis mon enfance, le genre de musique « rock» et les cheveux longs des adeptes m’ont inspirée », explique Erica. En 2014, elle a participé à un concours sur une chaîne télévisée privée en imitant l’artiste Iary ou la reine du rock malagasy. Puis, elle a commencé à créer ses propres compositions et en est maintenant à sortir, pour la première fois, sa nouvelle chanson. « Ne perdez pas espoir, il faut de la patience dans la musique», conclut-elle.
Vahinin’ ny Studio Sifaka ny alahady 6 septambra, i Erica Rakotonoely, mpihira « rock» malagasy. Mirona kokoa amin’ ny gadona « pop rock » sy ny « soft rock » izy, fa, milalao ny « hard-rock » ihany rehefa « cabaret». « Efa nahasarika ahy fony fahakely ny gadona rock, mahafinaritra ahy ihany koa ilay olona lava volo be ireny », hoy ny fanazavan’ny tovovavy. Ny taona 2014, nandray anjara tamina fifaninanana maka tahaka mpihira nokarakaraina fahitalavitra tsy miankina iray i Erica. Ny mpanakanto Iary na ilay antsoin’ny sasany koa hoe mpanjakavavin’ny rock malagasy no nosafidiany tamin’izany. Taorian’ izay, nanomboka namorona ny hirany manokana izy ary namoaka ny sangan’ asany voalohany. «Aza manary toky fa mila faharetana ny fanaovana mozika » hoy Erica namarana azy.