COVID-19 : Tous ensemble face au virus

MagazinesCulture / Sandrify

©Elidiot
Elidiot a commencé en chantant dans une chorale.

Elidiot peaufine son retour sur scène en 2021

Depuis son enfance, Elidiot originaire de la région SAVA, plus précisément venant du district d’Andapa, était déjà plongé dans le monde de l'art. C’est au sein d’une chorale qu’il a commencé à chanter. C’est après l’obtention de son baccalauréat et son déménagement à Antananarivo qu’il s'est plongé dans le monde de la musique.

L'une des choses qui a marqué Elidiot dans le monde de l'art était sa performance devant 6.000 personnes, lors de son premier spectacle à Sambava. C’est sa satisfaction face au trophée qu’il a reçu qui l’a poussé à vouloir donner plus à ses fans. D’ailleurs, Elidiot ne compte pas suivre les tendances populaires actuelles mais il compte se focaliser sur des ryhtmes variés plutôt déjà connus.

Cependant, face au coronavirus, son objectif 2020 s’est vu freiné. Néanmoin, le confinement lui a permis de se focaliser sur 2021 et de penser à créer quelque chose de nouveau.



Fony fahakeliny dia efa nilomano teo amin’ny tontolon’ny zava-kanto i Elidiot, zanaky ny faritra SAVA, avy ao amin’ny distrikan’ny Andapa. Nihira tanaty antoko-pihira tao amin’ny fiangonana no niatombohany. Niakatra teto Antananarivo izy rehefa afaka bakalorea ka teo no niditra lalindalina kokoa teo amin’ny tontolon’ny mozika. Araka ny resaka filazany dia tsy hanaraka ireo  gadona malaza ankehitriny izy fa hanohy hatrany ny hira madinika.

Isan’ny zavatra nanamarika an’i Elidiot teo amin’izay tontolon’ny kanto ny fiakarany an-tsehatra voalohany teo anoloan’ny mpijery miisa enina arivo. Tsaroany foana rehefa mijoro eo anoloan’ireo mpankafy izy.

« Fanintelony aho izao no nibata amboara tamin’ireo fifaninanana hira mozika mafana » hoy izy. Tena afa-po izy tamin’ireo vokatra nomena an’ireo mpankafy ary mieritreritra ny hitazona izay hatrany.

Nandritra izao fihibohana izao moa dia niezaka ny mamorona zavatra vaovao izy entina hanatrarana ny tanjona izay saika ho kasaina tamin’ity taona 2020 ity, nefa dia tsy tanteraka izany noho ny fisian’izao valanaretina izao, ny taona ho avy izy no mikasa ny hanatanteraka ireo vina rehetra eo amin’izay tontolon’ny zava-kanto izay. 

Studio Sifaka · 2020 - 09 - 20 Fanadihadiana - ARTISTE - ELIDIOT
Pour en savoir plus sur nos activités
M'inscrire à la newsletter