Alaotra Mangoro est une des régions où  le « hôsika » est chanté. Au début, l’instrument typique pour ce style musical était le « ampongalahy », mais plus tard l’accordéon, la valiha, le korintsana, etc, ont également été utilisés. Par ailleurs, le hôsika, typique de la région Sihanaka, est pratiqué lors de cérémonies telles que la circoncision, l’exhumation, les mariages, etc.
Le « Bahoejy », quant à lui, est originaire de la région de Sofia. Ce terme est tiré du nom de la personne considérée comme le créateur de ce rythme musical. Mais selon Lejim, chanteur du Bahoejy et également éthno-musicologue, le Bahoejy a été chanté bien longtemps avant la naissance de la personne portant comme nom le « Bahoejy ».
Fanao amin’ny toerana maromaro eto Madagasikara ny gadona hôsika, fa isan’ny tena mivoy azy ny amin’iny faritra Alaotra Mangoro iny. Tany am-piandohà na dia ny ampongalahy no fampiasa rehefa mihôsika, fa taty aoriana dia nampiasaina ihany koa ny zava-maneno hafa toy ny valiha, angorodao, korintsana, sns. Mifamatotra betsaka amin’ny kolontsaina ny hôsika, satria fanao izy io rehefa misy fety na lanonana : ny sasany mitehaka, ny sasany mively ampongalahy, ny sasany kosa miventy ny hira. Fanazavana entin’i Mandrindra, mpihira anaty tarika Solo mianadahy.
Avy any amin’ny faritry Sofia kosa ny Bahoejy. Nalaina avy amin’ny anaran’olona izay neverina ho mpamorona azy io teny io. Nanazava kosa ny mpihira sy mpanao fikarohana momba ny mozika, Lejim fa efa nohiraina talohan’izay ny gadona bahoejy, ary gadon-kira avy any ivelany no tombanana ho tonga teto an-toerana, ka nivadika ho bahoejy avy eo.