COVID-19 : Tous ensemble face au virus

MagazinesCulture / Sandrify

©Jirah
Jirah, une jeune artiste qui mélange le malesa et l’antosy.

Jirah, la spécialiste du mix de rythmes tropicaux

Jirah est une artiste malgache originaire d’Antsohihy. Chanteuse de musique tropicale, elle se distingue par les rythmes malesa et antosy qu’elle marie avec le style tropical dans son dernier album.

C’est en 2012 qu’elle intègre le milieu professionnel de la musique, en travaillant avec plusieurs artistes malgaches, compositeurs et musiciens. Mais ce n’est pas tout ! Jirah est aussi compositrice.

Durant le confinement, elle a produit plusieurs chansons qui sont déjà médiatisées. Elle a aussi profité de cette période pour apprendre à cuisiner et à se perfectionner dans la musique.

La chanteuse ambitionne de sortir son prochain album composé de nouveaux morceaux d'ici la fin de l’année.


Mpanakanto zanaky ny faritra SOFIA i Jirah, avy any amin’iny distrikan’ny Antsohihy iny. Ny mozika tropikaly no isany nanamarika azy teo amin’ny tontolon’ny zava-kanto. Ny fanadratana avo ny gadona malesa sy ny antosy somary nafangaro amin’ny gadona tropikaly tao anaty ny rakipeo izay navoakany no isany nampiavaka azy.

Ny taona 2012 no tena niditra teo amin’ny sehatramatihanina amin’ny tontolon’ny mozika i Jirah, ary maro ireo mpanakanto malagasy niaraka niasa taminy. Teo ny mpamorona ny hirany ary teo ihany koa ireo izay nampiara-peo taminy. Mamorona ihany koa anefa i Jirah.

Nandritra izay fihibohana izay moa dia maro ny hira novokarin’i Jirah ary efa hita miparitaka eny anivon’ny haino aman-jery maro samy hafa. Niezaka ny nianatra nahandro sy nihira ihany koa izy tao anatin’izay « confinement » izay mba ho fandaniana andro ankoatra ny fanaovana mozika.

Mikasa ny hamoaka ny raki-peo vaovao izay handrafetana ireo hira vaovao ireo izy ho amin’izao faran’ny taona izao. Ka andrasana araka izany izay sangan’asan’i Jirah vaovao izay.

Studio Sifaka · 2020 - 10 - 18 Fanadihadiana - ARTISTE - JIRAH
Pour en savoir plus sur nos activités
M'inscrire à la newsletter