La Grande île est riche en rythmes et styles musicaux. Drwina, un jeune artiste chanteur et musicien venant du Nord de l’île a décidé de créer le « Antsalegy ». Allons découvrir ce style et l’artiste lui-même dans cette émission.
Manana ban-kira maro isan-karazany isika eto Madagasikara ary samy manana ny mampiavaka azy ny faritra tsirairay eto amin’ny Nosy. Nitady gadon-kira ho azy manokana anefa i Drwina, mpihira sy mpitendry avy any avaratra, nampitondrainy ny anarana hoe Antsalegy izany. Andeha ho fantarina ny momba izay sy ny momba ny mpanakanto ato anatin’ity fandaharana androany ity.