COVID-19 : Tous ensemble face au virus

MagazinesCulture / Sandrify

©Studio Sifaka
On verse du toaka dans un coin de la maison pour les ancêtres.

Sandrify : La valeur du « Toaka » dans la culture Malagasy

Les « razana » sont les âmes des ancêtres, selon les croyances malgaches. A chaque festivité, un petit rituel doit être respecté : « omena aloha ny an’ny razana », ou donner leur part de toaka (d’alcool) aux ancêtres. Ce geste revêt un signe de reconnaissance pour honorer la mémoire des défunts, selon le traditionnaliste malgache, Michel Rakotomalala. Adamarilala Rakotonirina, conservateur des traditions ancestrales, explique que cette pratique, faisant partie des croyances malgaches, permet aux vivants de demander la bénédiction aux ancêtres, considérés comme protecteurs et intermédiaires entre Dieu et l’Homme.


Ny fanahin’ny olona efa maty no antsoina hoe « razana » amin’ny Malagasy. Rehefa misy lanonana, na fomban-drazana malagasy, alohan’ny hisotroana toaka dia omena aloha ny anjaran’ny razana, midika fanajana izany raha ny fanazavan’i Rakotomalala Michel, mpandala ny fomba malagasy. Endrikin’ny finoana malagasy ihany koa izany satria mpiaro, mpanelanelana ny olombelona sy Andriamanitra ny razana ary mpanome fitahiana, hoy ny fanazavan’i Rakotonirina Adamarilala, mpandala ny fomban-drazana malagasy.

Na amin’ny fahoriana na amin’ny fifaliana dia ampiasaina ny toaka hiantsoana ny razana : hisaorana azy tamin’ny fahasoavana azo, na angatahana fitahiana ihany koa. Ny toaka gasy no tena fampiasa amin’izany saingy arakaraka ny fangatahan’ilay olona tamin’ny fahavelomany. Ankehitriny, efa maro ny mampiasa zava-pisotro hafa toy ny divay na koa zava-pisotro mamy amin’izao fotoana izao raha ny fanazavany hatrany.

Studio Sifaka · 2020 - 11 - 19 Fandaharana SANDRIFY VALEUR DU TOAKA GASY
Pour en savoir plus sur nos activités
M'inscrire à la newsletter