Le concept de street food ou cuisine de rue est simple : cela se passe dans la rue, les produits sont, à la base, locaux, la préparation se fait sous les regards des clients, et surtout la manière de cuisiner est à la fois libre et flexible. Ailleurs comme à Madagascar, on retrouve ce concept à chaque coin de rue. Les nems et les samoussas, les grillades, les « vary mitsangana » ; entre amis, avec la famille ou seul, la street food est devenue une culture culinaire à laquelle bon nombre de malgaches adhèrent. Pourquoi ? Parce que c’est facile à avaler, à la portée de tous, et surtout cela dépanne dans certains cas. Le monde de la gastronomie ne cesse d’évoluer, si avant la street food se trouvait uniquement dans les rues, aujourd’hui de plus en plus de vendeurs aménagent de petits espaces pour plus de sécurité, de question d’hygiène et surtout pour le côté pratique. Une petite cabane de fortune peut faire l’affaire.
Yohan Chan Hong, un jeune malagasy a préféré innover en ouvrant une street food spécialiseé en cuisine asiatique, le « wokkusu ». On en parle dans Sandrify.
Ny street food dia tsy inona akory fa ireny sakafo hani-masaka karakaraina sy amidy ary jifaina eny amoron-dalana ireny. Ny kitonotono, ny vary mitsangana, ny pakopako sy ny lasary, dia ao anatin’izay street food izay avokoa. Saika ahitana izay hani-masaka izay daholo rehefa amorondalana na eto andrenivohitra na any amin’ny faritra ary samy manana ny mampiavaka azy ny faritra rehetra. Be mpitia sy be mpanjifa itony hani-masaka itony satria dia sady takatry ny fahefan’ny vidin’ny rehetra no maro isafidiana ihany koa, fa indrindra ankafizin’ny maro noho izy mahavonjy amin’ny fotoam-pahasahiranana. Anisan’ny tombony amin’ny street food ny fahafahana mitrandraka tsiro sy fomba fahandro hafa hatrany. Izany hoe  malalaka kokoa ny street food. Mivoatra hatrany ny fomba fahandro ary efa saika manorina trano kely avokoa ireo mpivarotra hani-masaka amin’izao raha toa ka nitafo lanitra izy ireo teo aloha.
Tanora malagasy iray, Yohan Chan Hong, izy no namorona ny « wokkusu », toerana iray ahafahana manjifa street food asiatique.