Biby iray manana ny lanjany manokana ny feso na dauphin amin’ny kolotsaina avaratr’i Madagasikara. Nanavotra ireo foko Sakalava Zafinifotsy nilefa tany andranomasina nandritra ny ady tamin’ny foko merina io biby io raha ny ara-tantara araka ny ny fanazavan’i Nordine, mpijoro sady mpandala ny fomba Sakalava. Tsy azo vonoina no sady tsy azo hanina ny feso satria efa voasokajy ho havana sy razambe noho ny soa izay nataony raha ny fanazavana hatrany. Isan’ireo biby mitovitovy hasina amin’ny feso ihany koa ny sokatra an-dranomasina sy ny tambraly noho izy ireo heverina fa miaro.
Anaovana fombafomba manokana ny feso rehefa maty. Fonosina lambam-paty, atao amin’ny tsihy, andrasana toy ny miandry faty, hitomaniana, ary alevina eny amoron-dranomasina raha ny fanazavan’i Andriamiadana Fortuné, mpandala ny fomba Sakalava ao Ambondrona Nosy Be.
Le dauphin est un animal d’une importance particulière dans la culture du Nord de Madagascar. Selon la légende, il aurait sauvé les Sakalava Zafinifotsy, partis en mer pendant la guerre ethnique qui les confrontaient avec les Merina selon Nordine, tradipraticien sakalava de Nosy Be. Il est interdit de tuer ou encore de manger ces mammifères marins, parce qu’ils ont été classés comme des ancêtres, ou des membres de la famille par le bien qu’ils ont fait, ajoute notre interlocuteur. Les tortues de mer et les tambraly font également partie des animaux marins ayant une grande valeur aux yeux des Sakalava, car ils sont considérés comme des protecteurs. Lors de ses funérailles : la dépouille du dauphin devrait être recouverte d’un linceul blanc, à laquelle on acorde une veillée funéraire semblable à celle d’un défunt. La dépouille est par la suite enterrée à la plage selon les explications d’Andriamiadana Fortuné, tradipraticien Sakalava à Nosy Be.