COVID-19 : Tous ensemble face au virus

MagazinesCulture / Sandrify

©Jean Tou Raherindrajoma
La plupart des danses exécutées au rythme du Karitaky est inspiré des mouvements de zébus.

Le karitaky, ou danser comme les zébus

Isan’ny haingo hamantarana fa efa manambady na mbola mpitovo ny olona iray ao ny amin’ny foko Bara ao amin’ny faritra Ihorombe ny randrana. Ankoatr’izay, ho an’ny lehilahy midika zavatra ny fipetraky ny fihogo eo amin’ny loha, ary ho an’ny vehivavy, ny fisalorana lambahoany raha ny nambaran’ny mpahay fomba Bara, Randrianandraina Jacques Modeste. 

Mitafy lambahoany an-tratra ny vehivavy efa manambady, raha eo ambalahana  kosa izany ho  an’ny ampela tovo raha ny fanazavany hatrany. Manao fihogo eo amin’ny sanga ireo tovolahy mbola tsy manambady, ao ankatoka kosa izany ho an’ny efa manambady na efa misy olona miaraka aminy.

Gadona mafana mampiavaka ny foko Bara ao amin’ny faritra Ihorombe ny Karitaky raha ny fanazavan’ny mpanankanto Raherindrajoma Jean Tou. Ahitana io gadon-kira io avokoa rehefa lanonana any an-toerana. Isan’ny biby manana ny hasiny sy ny lanjany ao amin’ny faritra Ihorombe ny omby, ka nalaina avy tamin’ny fihetsiky ny omby avokoa ny ankamaroan’ny dihy atao amin’ny gadona karitaky. Ohatra ny : « kibato mangala hosy », ny « tsipaky be rambo » ary ny « lalibanda». Tsy maintsy manao « sadiha », lamba mitapatapaka miloko maromaro mifatotra eo amin’ny valahana rehefa mandihy karitaky raha ny fanazavana.

Studio Sifaka · 2021-05-17 Fandaharana SANDRIFY - HAINGO BARA & KARITAKA

Dans la tribu Bara dans la région Ihorombe, la façon de s’habiller et les tresses de cheveux révèlent la situation matrimoniale des habitants. Selon le tradipraticien Jacques Modeste Randrianandraina, les femmes portent leur lambahoany au niveau de leur poitrine pour indiquer qu’elles sont mariées. Quant aux femmes célibataires, elles les mettent plutôt au niveau de la hanche. Pour la gent masculine, les célibataires mettent une peigne au devant de la tête pour signifier leur situation. La peigne est posée à la nuque pour les hommes mariés.

Le Karitaky est une rythmique traditionnelle Bara selon le musicien originaire de la région, Jean Tou Raherindrajoma. Il est toujours au rendez-vous lors de cérémonies dans la région. Le zébu ayant une valeur importante dans la culture locale, la plupart des danses au rythme du Karitaky est inspirée des mouvements des zébus, tels que le « kibato mangala hosy », le « tsipaky be rambo » et le « lalibanda ». Il ajoute qu’on doit porter le « sadiha », des rubans multicolores autour de la taille lorsqu’on danse le karitaky.

Pour en savoir plus sur nos activités
M'inscrire à la newsletter