Un mariage traditionnel vezo se fait en trois étapes bien distinctes. La première est appelée  "takomaso" où le prétendant se présente aux parents de la promise ainsi qu’à son frère si elle en a un. Il apporte quelques bouteilles de rhum et éventuellement une somme d’argent, raconte le traditionaliste vezo, Mamy. Deuxième étape, le « toke ». Celui-ci se fait une semaine ou des mois après le « takomaso ». Durant le toke, l’union est célébrée en petite comité mais cela ne signifie pas que le jeune homme et la jeune femme sont officiellement mariés. L’étape finale, connue sous le nom de "fandeo", se déroule des semaines ou des mois, voire des années après le « toke ». C’est la concrétisation de l’union des jeunes mariés.
Dingana telo no lalovana amin’ny fampiakaram-bady vezo. Voalohany ny « takomaso », fisehoan’ny lehilahy voalohany amin’ny ray amandrenin-dravehivavy. Araka ny fanazavan’ny ray aman-dreny ara-drazana Mamy, manaraka fomba toy ny fanomezana vola na zava-pisotro misy alikaola sy ny fanalana fady ireo manao takomaso. Dingana faharoa ny « toke », herinandro na amam-bolana aorian’ny takomaso no hanaovana izany. Toy ny fanatanterahina fanambadiana ihany ny toke fa tsy midika anefa hoe efa vadinao tanteraka ilay olona amin’izany, araka ny fanazavan’ny ray aman-dreny ara-drazana hatrany. Dingana farany ny « fandeo », herinandro na amam-bolana, mety hahatratra aman-taona mihitsy aza aorian’ny fahavitan’ny “toke “. Rehefa voahaja avokoa ireo dingana telo ireo vao azo lazaina fa tanteraka ilay fanambadiana.