COVID-19 : Tous ensemble face au virus

MagazinesCulture / Sandrify

©Heinonlein
Des garçons sakalava dans le Bekopaka.

Circoncision : Savatse pour les Sakalava et Tapajaza pour les Bezanozano

Savatse est une tradition de la tribu Sakalava, dans le district de Morombe. Savatse consiste à circoncire les garçons d’une famille. Cela peut aussi être traduit par "fandahilahia" ou l’acte d’informer les ancêtres de ces garçons. Selon le Dadilahy Zafimanisondy, le garçon se tient debout sur un arbre noir avec une vache morte à côté de lui pour que les ancêtres reconnaissent que "c’est l’enfant qui va devenir homme". C'est à ce moment que la circoncision est faite, entourée de tous les membres de la famille et les gens du village. Les familles organisent une grande fête qui dure toute la semaine à l’occasion du savatse.

Dans la tribu Bezanozano, district de Moramanga, la circoncision est appelée « Tapajaza ». Selon le Raiamandreny Zanakolona, ​​elle est réalisée entre l'âge de 2 à 5 ans. Par contre, la cérémonie doit être reportée si la mère est enceinte pendant cette période. Quand des frères sont circoncis en même temps, le plus jeune passe en premier. La famille des parents de l'enfant organise un « lapabe » ou une orgie la veille du « tapajaza » au cours de laquelle le ou les garçons concerné(s) reçoivent la bénédiction des ainés. Le matin venu, celui qui tient l’enfant s’assoit sur un nid d'abeilles. Il convient de noter que le père de l'enfant n'est pas autorisé à tenir l'enfant, selon les explications de Raiamandreny Zanakolona.

 

Studio Sifaka · 2022-03-01 Fandaharana SANDRIFY_SAVATSE & BEZANOZANO

Fomba amam-panao avy any amin’ny foko Sakalava, distrika Morombe, ny Savatse. Fanaovana didimpoitra ireo zazalahy ao amin’ny taranaka iray ny savatse. Azo adika ihany koa izany amin’ny hoe « fandahilahia » na fampahafantarana ireo razana an’ireo zazalahy ireo. Araka ny fanazavana omen’ny Dadilahy Zafimanisondy, ajoro eo an-kazo manga/ankazomanga ilay zazalahy, misy omby maty eo akaikiny ahitan’ny razana azy hoe « ireto ny zanaka atsangana ho lehilahy ». Tamin’ny andro taloha, eo amin’io fotoana io no tapaka ilay zaza. Amin’izao fotoana izao kosa, tsy mety intsony izany satria be olona manodidina ilay ankazomanga ary atahorana ho azon’ny mikraoba ilay fery, izay no antony tsy anapahana azy eo ankazomanga intsony. Manao fety be ny fianakaviana mandritra ny herinandro rehefa manao savatse. Tsy misy antony manokana ny hanaovana io savatse io fa izay no fomban-drazana araka ny fanazavan’i Dadilahy Zafimanisondy hatrany. Tsy misy fotoana voatokana ihany koa ny fanaovana azy ity, mety mahatratra any amin’ny folo taona any aza ny elanelany.

Any amin’ny foko Bezanozano, distrika Moramanga, tapajaza no iantsona ny famorana. Araka ny fanazavana omen’ny Raiamandreny Zanakolona, eo anelanelan’ny faha 2 taona sy faha 5 taonan’ny zazalahy no atao ity tapajaza ity. Raha bevohoka kosa ny reniny amin’io fotoana io dia tsy azo atao forana ilay zaza. Rehefa hanao ny forazaza ny mpirahalahy dia ny zandriny no atao voalohany. Manao lapabe ny fianakavian’ny ray aman-drenin’ny zaza ho foraina ny ankatoky ny tapajaza. Misy ihany koa ny tso-drano ara-drazana atao. Rehefa tonga ny maraina, apetraka eo ambony vata tantely izay mitazona ny zaza. Marihina moa fa tsy mahazo mitazona ilay zaza ny ray niteraka azy araka ny fanazavan’ny Raiamandreny Zanakolona hatrany.

Pour en savoir plus sur nos activités
M'inscrire à la newsletter