COVID-19 : Tous ensemble face au virus

MagazinesCulture / Sandrify

©R.David Kenny Photography
Minah Bolimakoa est une chanteuse originaire du nord de Madagascar.

Minah Bolimakoa, à vous le micro

Ce dimanche, c’est Minah Bolimakoa, une artiste originaire du Nord de l’île, plus précisément d’Ambanja qui a répondu à notre invitation. Ayant grandi au sein d’une famille dotée de la fibre musicale, et ayant été grandement influencée par son grand-père Bolimakoa, un des mécènes de la valiha de son temps, Minah a démarré sa carrière en reprenant l’une de ses chansons intitulée «  Raharaha sarotra ». Parlant de son style de musique, notre jeune chanteuse se sent libre, « Je ne veux pas imposer une limite à ma musique, je chante ce que je veux et ce qui me met à l’aise sans jamais oublier les couleurs de mes origines » a-t-elle expliqué.  Son rêve est de se produire un jour devant un public international.



I Minah Bolimakoa indray no teo amin’ny fandraisam-peon'ny Studio Sifaka tamin’ity alahady ity. Mpanakanto avy any amin’ny tapan’ny avaratry ny nosy, ny marimarina kokoa avy any Ambanja izy. Efa hatramin’ny fahakeliny no norotsirotsian’ny mozika i Minah. Anisany nahatonga azy ho tia sy hanao mozika ihany koa hoy izy ny dadabeany « Bolimakoa » izay mpitendry valiha nikoizana tamin’izany fotoana izany. Nanomboka ny tapatapaky ny taona 2015 i Minah Bolimakoa no niditra teo amin’ny tontolon’ny mozika. « Manao ny gadona izay tiko aho sy mety amin’ny feoko ary mampahazo aina ahy ny mihira azy, fa tsy maintsy mametraka foana ny loharanoko ihany koa amin’izay hira ataoko sy avokako rehetra. Safidiko ny tsy hivohy gadona manokana satria tsy tia hametraka fetra amin’ny zava-kantoko aho » hoy i Minah Bolimakoa rehefa nanontaniana mahakasika ny gadona ataony.

Studio Sifaka · 2020 - 05 - 24 Fanadihadiana MINAH
Pour en savoir plus sur nos activités
M'inscrire à la newsletter