COVID-19 : Tous ensemble face au virus

MagazinesEmploi & initiatives / Ketrika sy Kandra

©DJess
Quelques articles de mode créés par Andie Jessica.

Être entrepreneur dans l'organisation évènementielle et dans la création d'articles de mode

Le métier d'organisateur évènementiel demande des compétences spécifiques et de la détermination. « Il faut savoir planifier et organiser, et on doit avoir sa propre spécialité », explique Toky Randimbisoa, organisateur évènementiel à Happy Day Event. A son tour, Andriharinjara Edinho Juanito due Valiha Event affirme qu'il faut avoir une grande capacité relationnelle.

Andie Jessica Rakotonandrasana crée des accessoires de mode et des articles de décoration intérieure à partir du crochet. Avant, faire de la création n'était qu'un divertissement pour elle, mais maintenant elle en a fait son métier.



Mitaky toetra sy fahaizana manokana ny asan'ny mpikarakara lanonana. Mila olona mahay mandamina sy manaja ny asa, mahay miresaka sy mahay mandresy lahatra ary manana zavatra miampiavaka azy manokana, araka ny fanazavan'i Randimbisoa Toky, mpikarakara lanonana avy ao amin'ny Happy Day Event. Mila olona tena matotra amin'ny asa sy tia mifandray amin'olona ihany koa izany raha ny resak'i Andriharinjara Edinho Juanito Mpikarakara lanonana avy ao amin'ny Valiha Event.

Mamorona sy manamboatra zavatra vita amin'ny haingo amin'ny alalan'ny crochet toy ny kavina, firavaka, arovava, ary haingon-trano isan-karazany i Rakotonandrasana Andie Jessica. Noraisiny ho fialamboly izany famoronana izany tany aloha fa notrandrahany ho lasa fitadiavam-bola amin'izao fotoana izao. Tsy mijanona amin'ny famoronana zavatra mahazatra izy fa miezaka manita-kevitra. Efa manamboatra kiraro sy poketra vita amin'ny crochet ihany koa izy.

Studio Sifaka · 2020 - 07 - 27 Fandaharana KSK ORGANISATION EVENEMENTIEL CROCHET
Pour en savoir plus sur nos activités
M'inscrire à la newsletter