Le Centre d’Appui à l’Employabilité des Etudiants ou le CA2E appuie et prépare les étudiants à entrer dans le domaine professionnel. La formation sur les compétences transversales comprenant l’entrepreneuriat, la gestion de projet, la communication, la NTIC et le droit du travail fait partie des activités du centre, selon les explications de Herimampionona Hasindray Florent, responsable de l’information dans CA2E.
Le bénévolat a une étroite liaison à l’entrée des jeunes dans le monde du travail, selon Léonce Roberto, formateur et consultant de l’association AGIRS ou Agir Solidairement pour la paix et le développement. Il affirme que le bénévolat donne des expériences, il favorise l’esprit d’équipe et élargit les réseaux, ce qui facilite l’insertion socio-professionnelle des jeunes.
Ivon-toerana natao hanomezana tosika amin’ny fampananan’asa ny mpianatra ny Centre d’Appui à l’Employabilité des Etudiants  na CA2E Andrainjato Fianarantsoa. Isan’ny atrikasa hita ao ny fanomezana fiofanana mikasika ny fahalalana marolafy. Ampiofanana ao anatin’izany ny fandraharahana, ny fitantanana tetikasa, ny serasera, ny teknolojia vaovao, ary ny lalà na mifehy ny asa izay zava-dehibe ilaina rehefa hiditra amin’ny sehatry ny asa, araka ny fanazavan’i Herimampionona Hasindray Florent, tompon’andraikitry ny serasera ao amin’ny CA2E.
Misy ifandraisany amin’izany indrindra koa ny filatsahana an-tsitrapo araka ny voalazan’i Léonce Roberto, mpampiofana ao amin’ny fikambanana AGIRS (Agir Solidairement pour la paix et le développement). Ahazoana traikefa, mamboly toe-tsaina sy fitondran-tena mifanaraka amin’ny tontolon’ny asa, ary mampitombo ny fifaneraserana amin’olona ny filatsahana an-tsitrapo ka manamora ny firosoan’ny tanora amin’ny asa.