La mise en œuvre d’un sondage dépend de quatre points essentiels : qui va être sondé, où s’effectue le sondage, de quel sujet s’agit-il et pourquoi faire le sondage. C’est ce qu’a expliqué le directeur général de l’agence Capsule, Eugenio Raniriharinosy, qui a réalisé des sondages depuis 26 ans. Par ailleurs, la fiabilité des résultats des sondages effectués par l’agence est garantie, dans la mesure où elle est certifiée ISO 20252.
Sur ce point, les normes garantissent la qualité d’un produit ou d’une méthodologie de travail affirme le directeur général du Bureau des Normes de Madagascar, Séraphin Razafimahafaly. Elles sont indispensables mêmes si elles ne sont pas obligatoires. Néanmoins, si l’Etat décide de rendre une norme impérative à travers des textes réglementaires, à ce moment-là , elle devient un règlement technique qui doit être appliqué en bonne et due forme.
Ny fanaovana fanadihadiana na sondage dia miankina amina teboka efatra : iza ilay olona hanaovana azy, aiza ilay toerana, inona no lohahevitra ary maninona no hatao ilay fanadihadiana. Ireo no nambaran’i Raniriharinosy Eugenio, tale jeneralin’ny agence Capsule, izay nilomano tao anatin’io sehatra io nandritra ny 26 taona izay. Ny valin’ny fanadihadiana hataon’izy ireo ihany koa dia azo antoka, hoy izy, satria manana ny fanamarinana ara-penitra ISO 20252 ny agence Capsule.
Ny fenitra tokoa no miantoka ny kalitaon’ny vokatra na fomba fiasa iray, hoy ny tale jeneralin’ny biraon’ny fenitra eto Madagasikara, Razafimahafaly Séraphin. Tena ilaina ny fenitra na dia tsy voatery ampiaharina aza, hoy izy. Saingy rehefa ny Fanjakana kosa no manapaka fa tsy maintsy arahana ary ampiharina ny fenitra iray eo amina vokatra na fomba fiasa, ary misy lalà na mametraka izany, dia efa tsy fenitra intsony no iantsoana azy, fa fepetra ara-teknika ka tsy maintsy hajaina.