La marque fait partie des éléments qui permettent d’identifier le produit. Elle permet d’assurer l’identification et la valorisation des produits et assure la fidélisation des clients, explique le Docteur Zanatiana Jenselme Rasamimananirina, enseignante-chercheure à l’université de Fianarantsoa. Des étapes sont strictement à suivre pour mettre une marque en valeur, selon encore ses explications. Le choix des couleurs est également primordial pour la réussite marketing car elle attire les regards des cibles, soutient Andry Ivanov Maherindray.
Julien Andriamifidy est un jeune entrepreneur qui détient Diary Koba à Fianarantsoa, une entreprise de transformation de bananes vertes en pâte. A seulement 1 an et demi d’existence, Il a déjà plusieurs clients et envoie ses produits vers plusieurs régions et grandes villes. La communication directe avec les clients contribue à sa réussite commerciale, d’après ses explications. Il ajoute qu’étant un entrepreneur, la communication est vraiment nécessaire.
Isan’ireo singa fototra ahafahana mamantatra vokatra iray ny marika. Anjara asan’ny marika ny manavaka ny vokatra amin’ny hafa, miantoka ny fahatokisan’ny mpanjifa ary manome lanja ny vokatra, araka ny fanazavan’ny dokotera Rasamimananirina Zanatiana Jenselme, mpampianatra mpikaroka ao amin’ny oniversiten’i Fianarantsoa. Misy dingana arahina manokana hoy izy amin’ny hametahana ny marika. Mitana anjara toerana lehibe amin’ny fahombiazan’ny varotra ny loko raha ny nambaran’ny mpamorona ny Ivanov Agency, Maherindray Andry Ivanov.
Tanora mpandrahara tompon’ny orinasa iray antsoina hoe Diary Koba ao Fianarantsoa i Andriamifidy Julien. Misehatra amin’ny fanodinana ny akondro manta ho lasa koba ny orin’asa izay tantaniny. Na dia vao herintaona sy tapany aza ny nidirany tamin’io sehatra io dia efa maro ireo mpanjifa ny vokatra, mandefa any amin’ny faritra koa izy ireo. Isan’ny mampahomby azy amin’ny mpanjifa ny firesahany mivantana amin’ny manjifa satria ilaina ny resaka fifandraisana amin’ny maha mpandraharaha raha ny fanazavany.