Recyclage de déchets, production de charbon écologique, production de lombricompost, production d’énergie renouvelable…..on peut créer des emplois et des initiatives dans la protection de l’environnement. Diverses associations octroient des formations et des ateliers sur ce sujet. Faravololona Rasamimanana, présidente du conseil d’administration de Vohitra Environnement et Domoina Ranaivoarimanana, directeur exécutif de l’ONG Eden orientent les jeunes dans ce domaine. Lalatiana Raveloarison partage aussi avec nous le concept du bazar écologique.
Fanodinana fako, famokarana arina fandrehitra ekolojika, famokarana zezika kankana, famokarana angovo azo havaozina, sns. Sehatra azo hamoronana ketrika sy kandra ao anatin’ny fiarovana ny tontolo iainana. Misy ireo fikambanana izay manome fanofanana sy atrikasa ho an’ireo tanora mikasika izay. Manome ohatra amin’ny asa azo atao aorian’ireo atrikasa ireo i Rasamimanana Faravololona, filohan’ny Vohitra Environnement sy Ranaivoarimanana Domoina, tale mpanantanteraka ao amin’ny ONG Eden . Efa henonao koa ve ilay hoe tsena miaro ny tontolo iainana ? Mpisehatra eo amin’izay I Raveloarison Lalatiana ka mitantara ny fomba nananganany an’io izy.