Ny fanomezana vola mba hahazoana tombontsoa manokana, ny fanomezana tombondahiny olom-pantatra na havana, ireo amin’ny ankapobeny no endrika kolikoly mateti-pitranga eto amintsika, ary amin’ny asam-panjakana no tena hisehoany hoy ireo olontsotra tafaresaka tamin’ny Studio Sifaka. Tsy fanajana ny fitsipi-pitondrantena sy fitsipi-pifehezana ao anatin’ny asa izany rehetra izany ary misy fiantraikany ratsy amin’ny firenena. Isan’ireo maha saropady an’ireo fitsipika ireo ny tontolon’ny fitsarana sy ny fitsaboana ary ny asam-panjakana hoy ny filohan’ny fikambanana Mouvement pour l’Ethique et la Déontologie de Madagascar, Lala Ratsiharovala.
Les pots de vins versés pour obtenir une faveur, le favoritisme et le népotisme, ce sont en général les formes de corruption qui sont les plus fréquentes à Madagascar, selon les personnes que nous avons interviewées. Ce non-respect de l’éthique et de la déontologie a des conséquences néfastes sur le pays. L’éthique et la déontologie sont d’autant plus importantes dans le milieu de la justice, la médecine et le service public, selon la présidente de l’association Mouvement pour l’Ethique et la Déontologie de Madagascar, Lala Ratsiharovala.