Un préparateur physique n’est pas un coach. L’entraîneur est plus dans la technique tandis que le préparateur physique appuie le coach dans le développement physiologique des sportifs. Le préparateur physique, Manantsoa Andrianasolo explique, qu’en principe, il établit des entraînements personnalisés pour chaque joueur. Il développe la force, l’agilité et la vitesse des sportifs. Ce métier est fait pour ceux qui ont suivi des formations spécialisées en sport et ayant reçu des autorisations de fédérations concernées. Il en est de même pour devenir maître-nageur ou professeur de natation, comme Fantarijaona Isambilonjanahary qui précise que des connaissances pédagogiques, psychologiques et physiologiques sont exigées pour devenir maître-nageur.
Ny mpanomana ara-batana dia tsy mpanazatra. Ny mpanazatra dia ny resaka tekinika no tena hifantohany. Ny mpanomana ara-batana kosa dia manampy ny mpanazatra amin’ny fivoarana ara-batan’ireo mpilalao. Amin’ny ankapobeny hoy ny mpanomana ara-batana Andrianasolo Manantsoa dia manome fanazaran-tena manokana hahafahana mampivoatra ny tanjaka, ny hakingana sy hafainganam-pandeha ho an’ny mpilalao izy. Ity asa ity dia natao ho an’ireo izay nanaraka fiofanana manokana miksaika ny fanatajahantena ary nahazo alalana avy amin’ny federasiona ihany koa. Toy izany ihany ny asan’ny maître-nageur. Manazava ny maître-nageur Fantarijaona Isambilonjanahary fa misy fahalalana ara-batana, pedagogique sy psychologique tsy maintsy hay vao afaka manao io asa io.
Â