COVID-19 : Tous ensemble face au virus

MagazinesEmploi & initiatives / Ketrika sy Kandra

©ARATO
Les jeunes créateurs d’une application de vente de billets en ligne, issus de Fianarantsoa.

L’entrepreneuriat numérique

Orinasa misehatra amin’ny nomerika iray ao Fianarantsoa izay ahitana tanora mpahay informatika no namorona rafibaiko fivarotana tapakila an-tserasera. Tao anatin’ny fihiboana izy ireo no namorona ilay rafibaiko. Hatreto dia mbola tsy misy anarana izy io. Tanjona ny hanamorana ny fivarotana tapakila sy ny fitantanana ny hetsika, hampihena ny famoahana an-taratasay, ary koa mba hananana  traikefa arak’asa araka ny fanazavan'i Tolotsoa Nomenjanahary tanora ao anatin’ny ekipa. Mila fantarina mialoha ilay toerana hanaovana ny hetsika  mba ahafahana manao sary ilay toerana sy ahafantarana ny fipetrakin’ny seza, foronina  ny kaody QR-n’ny tapakila, alefa amin’ny alalan’ny tambajotra sosialy na amin'ny alàlan'ny mailaka ny tapakila, ary atao « scan » eo amin’ny fidirana amin’ny fotoanan’ny hetsika hoy i Francky Andrianirina Harisoa.  I Josué Ratovondrahona, tanora mpandraharaha amin'ny sehatra nomerika kosa miresaka amintsika momba ny fandraharahana nomerika ato anatin’ny fandaharana Ketrika sy kandra.


Studio Sifaka · 2021-03-15_Fanadaharana-KETRIKA-SY-KANDRA-APP-VENTE-DE-BILLET-ENTREPRENERIAT-NUMERIQUE

Une application de vente de billets en ligne a été créée par une entreprise de service numérique à Fianarantsoa, composée de jeunes informaticiens. Ils ont commencé à créer cette application durant la période de confinement. Jusqu’à maintenant, ils n’ont pas encore nommé cette application. L’objectif est de faciliter la vente de billets et la gestion d’événements, de diminuer le coût par rapport aux impressions et aussi d’avoir plus d’expériences entrepreneuriales, selon les explications de Tolotsoa Nomenjanahary,  jeune informaticien membre de l’équipe. Comment ça marche ? Il suffit tout d’abord d’avoir le planning de la salle, de créer le code QR du billet, d’envoyer le billet via les réseaux sociaux ou via mail, et le scanner lors de l’arrivée des clients à l’évènement, selon Francky Andrianirina Harisoa. A son tour, Josué Ratovondrahona, un jeune entrepreneur dans le service numérique, nous parle de l’entrepreneuriat numérique.

Pour en savoir plus sur nos activités
M'inscrire à la newsletter