Ketrika iray isan’ny mahasarika ny tanora amin’izao fotoana ny firobohana amin’ny sehatra asa « freelance ». Manome fahalalahana ka ahafahana mampiaraka fianarana sy asa, na asa sy fiainan-tokantrano na ihany koa asa roa samihafa ny fanaovana asa « freelance ». Amin’ny ankapobeny, solosaina sy tambazotra aterineto ihany dia efa ampy tsara ahafahana miasa. Misy ihany anefa ireo tsara ho fantatra sy tokony ho hay, mialohan’ny tena hirobohana amin’ity sehatra ity. Mizara ny traikefany i Andrianary Haingo, « freelancer » no sady renim-pianakaviana, tompon’andraikitra eo anivon’ny Freelance BDR Academy.
Travailler en tant que freelancer, c’est une option qui attire actuellement de plus en plus de jeunes. Donnant plus de liberté, le freelancing permet de conjuguer études et travail, vie de famille et travail ou encore de combiner deux postes en même temps. Généralement, une connexion internet et un ordinateur suffisent pour se lancer à l’assaut et devenir freelancer. Cependant, il existe certains points à connaître et surtout à comprendre avant de se lancer dans le freelancing. Haingo Andrianary, mère de famille et Freelancer, également responsable de Freelance BDR Academy, nous partage ses expériences.