Rasamoelson Patrick est matelot à bord d’un bateau de croisière, faisant escale en Italie au moment de notre interview. Le métier de matelot, dit-il, consiste à effectuer des tâches d'entretien, de nettoyage, des manœuvres d'amarrage ainsi que le guidage du bateau. Les informations relatives au métier de matelot sont disponibles auprès de l’Agence portuaire maritime et fluviale (APMF) et la formation homologuée se déroule à l’École nationale d’enseignement maritime (ENEM) à Mahajanga, poursuit-il. Bien que ce soit un atout, il n’est pas obligatoire de savoir nager si l’on veut devenir marin, termine Patrick Rasamoelson.
Les « gens de mer » sont ceux qui vivent de la mer et des eaux douces, ceux dans les navires et ceux sur le littoral. Les marins sont aussi des « gens de mer » mais ils ne sont pas les seuls, selon le responsable du Bureau de Service Maritime / Shipping de Madagascar (BSSM), Gabriel Rasamoely. À lui d’ajouter que les métiers de la mer sont vitaux pour beaucoup de pays, surtout pour les îles. Il souligne que 98% de l’économie de Madagascar passent par la voie maritime, via le pétrole, les matériaux en tout genre, les produits de première nécessité, les produits d’exportation (vanille, girofle, cacao, nickel...). Cette année, la journée mondiale de la mer et la journée des gens de mer ont été parallèlement célébrées le 30 septembre.
Matilo miasa anatin’irony sambo vaventy irony i Rasamoelson Patrick. Miantsona ao Italia izy ireo ankehitriny. Ny atao hoe matilo, hoy izy, dia ireo misahana ny fahadiovana, ny resaka loko, ny fampiantsonana ny sambo ary ny resaka tady. Nanampy izy fa raha te hiditra ho tatsambo dia manantona ny Birao misahana ny ranomasina sy ny seranan-tsambo malagasy (APMF), avy eo manaraka fiofanana ao amin’ny sekolin’ny tatsambo ao Mahajanga. Tsy voatery mahay milomano vao afaka manao tatsambo hoy hatrany i Rasamoelson Patrick.
Ny atao hoe « olon-drano » dia ireo rehetra mivelona amin’ny ranomasina sy ny ranomamy.Tsy ireo tatsambo ihany no atao hoe « olon-drano » fa ireo mivelona eny amoron-tsiraka ihany koa. Manan-danja amin’ny firenena maro ny fananana moron-tsiraka, ary miankina tanteraka aminy ny toekaren’ny nosy toa an’i Madagasikara. Manodidina ny 98% izany taha izany eto amintsika satria an-dranomasina avokoa ny là lan’ny solika, ny sakafo, sy ny kojakoja rehetra ilaina miditra eto. Toy izany koa ny vokatra fanondrana toy ny lavanila, ny jirofo, ny harena ankibon’ny tany sy ny maro hafa, hoy ny tompon’andraikitra eo anivon’ny birao misahana ny fandefasan’entana an-dranomasina eto Madagasikara na (BSSM), Rasamoely Gabriel.