Anisan’ny fomba iray hahafahana mitady vola hananterahana izay tetikasa ny « Crowdfunding ». Mampiavaka azy ny fandraisan’anjaran’ny olona maromaro manome ilay vola amin’ny alalan’ny tahalaka iray anaty aterineto. Misafidy araka izany ireo izay manana vola ampiasaina ny amin’ny tetikasa tian’izy ireo tohanana, hoy ny mpahay toekarena Ralalason Jarus. Misy karazany 4 ny Crowdfunding, misy ny vola tsy averina intsony, misy kosa no hakan’ireo mpanome vola tombony. Maromaro ireo tahalaka ireo toy ny Kiss kiss bank bank, ulule,…  miaraka.com, fanjava sns. Ilaina ny fahafantarana olona maromaro afaka mandray anjara ao anatin’ilay tahalaka ary zava-dehibe ihany koa ny fanamaroana ny fahazoana mandefa vola amin’izany, hoy ny mpanatontosa horonantsary iray, Razafimanantsoa Tsiory, izay efa nisafidy ny hampiasa azy ity tamin’ny tetikasany. Antony ilana ny fampiasana ny tahalaka izay misy eto Madagasikara izany.
Le «Crowdfunding » fait partie des moyens de collecte des fonds pour un projet. C’est plus précisément un « financement participatif » ou un financement provenant de plusieurs  de personnes via une plateforme en ligne. Les investisseurs membres de la plateforme choisissent les projets à soutenir à travers les audiences, explique l'économiste Jarus Ralalason. Il existe 4 types de Crowdfunding, il peut s’agir de dons ou aussi des actions avec une contrepartie. Il existe plusieurs plateformes en ligne telles que Kiss kiss bank bank, ulule… ou aussi miaraka.com, fanjava etc. Mais le réalisateur, Razafimanantsoa Tsiory, qui a choisi de l'utiliser dans son projet, souligne l’importance d’avoir un cercle de connaissances pouvant participer à la collecte de fons et de la facilitation de l’accès à la plateforme pour l’envoi d’argent.