Raha efa mahazatra ny cyber café na ireny toerana misy solosaina maro azo iasana ireny, hafa indray ny couture café satria milina fanjairana indray no hiasana. Natao ho an’ireo olona izay te hanjaitra ka mampiasa izany amin’ny fotoana voafetra : tapak’andro ohatra. Ho an’ity toerana iray ity, maro karazana ireo olona tonga matetika : ireo te hianatra hanjaitra, ireo hamita asa, ireo te hanjaitra ny akanjony, ireo manana olana amin’ny milina sns. Olona 6 isankerinandro eo no tonga mampiasa ireo fitaovana hoy ny mpitantana ny toerana, Soanantenaina Giovannie. Betsaka hoy izy ny olona te hianatra na hiala voly, antony nanaovana ihany koa ireo atrikasa fanjairana. Nisafidy ny hiditra amin’ny sehatry ny fanjairana kosa i Raharinarivo Ainamalala. Mahafinaritra azy ny mamorona na dia efa voafaritry ny mpampanjaitra aza ny akanjotiany hanaovana. Mampiavaka ny fomba fiasany ihany koa ny fampiasana ireo ambin-damba hamokarana entana hafa mba hikajiana ny tontolo iainana.
Si dans les cybercafés, on est habitué à louer un ordinateur, dans une couture café, on loue des machines à coudre pendant un temps bien déterminé : une demi-journée par exemple. Ce concept est destiné pour les personnes qui souhaitent apprendre à coudre, faire une finition d’une prestation, coudre leurs propres vêtements, ceux ou celles qui ont des problèmes avec leurs machines, etc. Environ 6 personnes par semaine viennent fréquenter leur couture café, nous confie la responsable, Soanantenaina Giovannie. Des ateliers sont également organisés pour ceux qui veulent se distraire un peu ou aussi pour les débutants. Ainamalala Raharinarivo, quant à elle, a choisi d'entrer dans le domaine de la couture. Elle aime jouer avec la création même s’il s’agit d’une commande sur mesure. Comme motivation, elle réutilise les restes de tissus pour produire d'autres articles afin de préserver l'environnement.