Misy karazany maro ireo fikambanana miasa ho an’i Madagasikara any ampitandranomasina. Ao Frantsa manokana, misy ireo fikambanana teratany malagasy monina any ivelany. Ary eo ihany koa ireo fikambanana manohana ireo tetikasam-piarahamonina aty Madagasikara. Ohatra amin’izany ny Ambohimad ao Laval. Manohana ny tetikasa famokarana lohamenaka sy mpiompy tantely ao Ambohidratrimo izy, ny ankany akamasoa an’i Père Pedro na ihany koa ny asa tanana vita amin’ny vy an’i Dieudonné Razafinjatovo etsy Ambohimanambola. Eo ihany koa ny fanosehana ireo mpanakanto sy ny fikambanana mpanoratra malagasy toy ny Opération Bokiko. Mba ahitana vola hanohanana ireo tetikasa, mivarotra asa tanana sy vokatra malagasy izy ireo, toy ny lavanila, sokola sy lohamenaka sns. Tanjona ihany koa hoy filohan’ny fikambanana, Nathalie Caharel ny fampahafantarana ny kolontsaina malagasy any ivelany, na sanganasa, na lalao na sakafo izany. Toy izany ihany koa ny asan’ny Hetsika ao Nantes. Fampiroboroboana sy fampahafantarana ny zavakanto, ny tantara ary ny kolontsaina malagasy any ivelany sy eto antoerana no tena ataon’izy ireo, hoy ny filohany, Andrianatoandro Vonjy. Izy ireo no mikarakara ilay hetsika « festival couleur malgache » isan-taona. Eo ihany koa ny fikarakarana dia na voyage solidaire ho an’ireo vahiny aty Madagasikara.
Il existe de nombreuses associations qui œuvrent en faveur de Madagascar à l'étranger. En France notamment, on a des associations de diaspora malgache. Il y a également des associations qui soutiennent des actions solidaires à Madagascar. Tel est le cas d’Ambohimad à Laval. Elle soutient la production d’huile essentielle et le projet d'apiculture à  Ambohidratrimo, le centre Akamasoa du Père Pedro ou encore l’atelier de ferronnerie de Dieudonné Razafinjatovo à Ambohimanambola. Elle donne aussi un coup de pouce aux  artistes et association d’écrivains malgaches comme Opération Bokiko. Pour récolter des fonds afin de soutenir les projets, l’association fait du commerce équitable en vendant des œuvres d’art et des produits malgaches, comme la vanille, le chocolat, les huiles essentielles etc. La présidente de l'association, Nathalie Caharel, souligne l’optique de promouvoir la culture malgache, qu'il s'agisse d'œuvres d'art, de jeux, de musique, de danse, de plat etc. L’objectif est le même pour l’association Hetsika Nantes. Selon son président, Andrianatoandro Vonjy, leur objectif principal est de promouvoir et de faire connaître l'histoire et la culture malgache à l'étranger et dans le pays également. Hetsika organise chaque année le Festival « Couleurs malgaches". Elle organise depuis quelques années des voyages solidaires avec des touristes étrangers à Madagascar.