De nombreux jeunes malgaches souhaitent poursuivre leurs études supérieures à l'étranger. Mais il est important de se tenir au courant de quelques conditions de vie que cela requiert, par exemple sur la manière de subvenir à ses besoins. La majorité des jeunes étudiants en France exercent le job étudiant. Approcher les entreprises, répondre aux offres d'emploi en ligne, s’informer auprès de la communauté malgache etc. pour trouver du travail. Le gouvernement français octroie en même temps une allocation  aux jeunes âgés de 18 à 25 ans, raconte Miora Ramananirina, une jeune malgache qui y a étudié et y travaille actuellement. Mais cela dépend du revenu de chaque personne. Viennent ensuite d'autres types d'avantages : aide au logement, tarif jeune pour les transports, etc. Les aides sont octroyées à tous les jeunes mais les étudiants de l'État ont un avantage en matière de logement.
Maro amin’ny tanora malagasy no maniry ny hanohy fianarana ambony any ivelany. Misy teboka vitsivitsy mila fantarina anefa amin’ny fiainana any, ohatra amin’ny fidirambola. Manao ilay atao hoe job étudiant ny ankamaroan’ireo tanora mpianatra ao Frantsa mba hivelomana. Mitety orinasa, mamaly ireo tolotra asa amin’ny aterineto, miresaka amin’ny malagasy hafa, sns, mba ahitana asa. Misy ihany koa ny fanampiana omen’ny fanjakana frantsay ireo tanora manelanelana ny 18 hatramin’ny 25 taona, hoy ny tanora malagasy iray, nianatra sy miasa any, Ramananirina Miora. Miankina amin’ny vola miditra aminao anefa izany. Misy karazany kosa ireo fanampiana avy eo : fanampiana amin’ny hofantrano, fitaterana, sns. Tsy anavahana kosa ny firenena niaviana saingy manana tombony ny mpianatra miankina amin’ny fanjakana, amin’ny trano hipetrahana. Mianatra ao Frantsa i Andriamanarivo Tahiry, taona fahadimy amin’ny ny lalampiofanana Chimie analytique. Manazava ny tena tanjona sy ny asa azo atao ao anatin’io fianarany io izy.Â
Â